Toko faha 21

1 Ary ny lelahin'ireo Israely nagnano fampagnantenana tao Mizpa hoe: ''Tsy hisy amintsena hagnome ny janagny vavy hanambady Benjamita. 2 ''Die nenga agny Betela ny vahôke ka nitoetre tagny teo ankatrehan'Andriamanitra hatramin'ny tsondrognandro, ary nitagny mahare tamin'ny feo avo areo. 3 Hoy ijy ireo nangaike mahare: ''Nagnino, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no die nibôke tamin'ny Israely ijao, ka tsy ho eto aminay koa ny raike amin'ireo fokonay ankehitriny?'' 4 Nifoha maraigna ny vahôke ny ampitson'igny ka nanangagna alitara teo ary nanolotre fanatitra ôrona sy fanati-pihavanana. 5 Hoy ny vahôkan'Israely hoe:''Ija tamin'ireo fokon'Israely no tsy niakatre tao amin'ny fiangonana tagny amin'i Yaveh? '' satria nagnano fampagnantenana lehibe tokôtre areo mahakasike ny olo ijay tsy niakatre teo amin'i Yaveh tagny Mizpa. Hoy areo hoe: '' Tena hovonoina ho faty ijy.'' 6 Nanagna fangoraham-po tamin'i Benjamita rahalahin-dreo ny vahôkan'Israely. Hoy areo hoe: ''Vôfongotre tsy ho eo amin'ny Israely ny foko raike ankehitriny. 7 Ija no hagnome vady ireo sisa tabela, satria efa nagnano fampanantenana tamin'i Yaveh antsena fa tsy hamela an-dreo hanambady ireo janantsena vavy?'' 8 Hoy areo hoe: '' Ija tamin'ireo fokon'i Israely no tsy niakatre tagny amin'i Yaveh tagny Mizpa?'' fantatre fa tsy nisy olo tonga tao amin'ny fiangonana ny avy tagny Jabesy Gileada. 9 Fa laha nenga tamin'ny fomba nirindra ny vahôke , io, tsy nisy tonga teo ireo mponin'i Jabesy Gileada. 10 Nagnirake roe arivo sy iray aligna tamin'ireo lelahy be herim-po indrindrake miarake amin'ny toromarike ny fiangonana mba handeha agny Jabesa Gileada ka hanafike an-dreo, ary hamono an-dreo, eke fa na die ny jaja amim-biavy aja. 12 Nahita jajaviavy efajato ijay mbola tsy niara-nandry tamina lelahy tamin'ireo velogna tao Jabesy Gileada ireo lelahy, ka nindôsin-dreo tagny an-toby tagny Silo, tagny Kanana areo. 13 Nandefa hafatre tamin'ireo vahôkan'i Benjamina ijay tagny amin'ny harambaton'i Rimona ny fiangonana manontolo fa nanolotre fihavanana ho an-dreo areo. 14 Nipody tamin'ijany andro ijany ireo Benjamita ary nomena an-dreo ny viavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho an-dreo ny viavy. 15 Nanegnina tamin'ijay nitranga tamin'i Benjamina ny vahôke, satria nojarajarain'i Yaveh ireo fokon'Israely. 16 Die hoy ireo mpitarike ny fiangonana hoe:'Hataontsena akory ny hagnomejana vady ho an'ireo Benjamita ijay sisa tabela, satria efa novonoina ireo viavin'ny Benjamina?'' 17 Hoy areo hoe: ''Tsy mentsy misy lova ho an'ireo sisa velogn'i Benjamina, mba tsy hisy foko vôringagna amin'ny Israely. 18 Tsy afake magnome vady avy amin'ireo janakay vavy ho an-dreo ahay, satria nagnano fampagnantenana ireo vahôkan'Israely hoe: 'Vôojogna ijay magnome vady an'i Benjamina. 19 ''' Die hoy areo hoe: ''Fantatrareo fa isan-taogna die misy andro firavoravoana ho an'i Yaveh agny Silo ( avaratr'i Betela, atsignanan'ny lalagna miakatre avy agny Betela menga agny Sekema, ary atsimon'i Lebona).'' 20 Nandidy ireo lelahin'i Benjamina areo, nagnano hoe: '' Mandehana ka mivonia ary mandiasa ao amin'ny tanimbôloboke. 21 Mandiasa ny fotôgna ijay hivoahan'ireo jajaviavy avy agny Silo handihy, die ùivoaha malaky avy ao amin'ny tanim-bôloboke ka manambora vady avy amin'ireo jajaviavy avy agny Silo ny Kiraidraike aby aminareo, avy eo die mipodiana agny amin'ny tanin'i Benjamina. 22 Laha tonga hanohitre antsena ireo iaban-dreo na ireo anadahin-dreo, die hijake antsena hoe: '' Anehoy famindram-po ahay! Abelao areo hijanogna satria tsy mba nahajo vady ho an'ny lelahy kiraidraike nandritre ny ady ahay. Tsy manan-tsiny anareo, satria tsy nomenareo an-dreo ny janakareo vavy.'' 23 Namboarin'i vahôkan'i Benjamina ijany. Nalain-dreo tamin'ireo jajaviavy ijay nandihy ny isan'ny vady ijay nilain-dreo ka die nindôsin-dreo ho vadiny areo. Lasa areo ary nipôdy tagny amin'ny toeran-dovan-dreo. Naorin-dreo indraike ny tanàna sy nidoboke tao amin'ijany. 24 Die nandao ijany toerana ijany ka nandeha nody ny vahôkan'i Israely, samy agny amin'ny foko sy ny fianakaviany aby, ary samy agny amin'ny lovany aby 25 Tsy nisy mpanjaka tao Israely tamin'ijany andro ijany. Samy nagnano ijay marina teo imasony ny olo abiaby.