Toko faha 19

1 Tamin'ijany andro ijany, laha tsy nisy mpanjaka tao Israely, die nisy lelahy raike, Levita, nivahiny tagny amin'ny faritre lavitre indrindrake tamin'ny tany ambon'i Efraima. Nangala viavy ho an'ajy ijy, vaditsindrano avy agny Betleheman'i Joda. 2 Nefa tsy tokam-po tamin'ajy ilay vadintsindranony; nenga an'ajy raviavy ary nipody tagny an-dragnon'i abany tagny Betleheman'i Joda.Nijanogna tagny efa-bolagna ijy. 3 ry niarigna ny vadine ka nagnarake an'ajy mba handresy lahatre an'ajy hody. Niarake tamin'ajy ny mpanompony, sy ny ampondra roe. Die nindôsiny tagny an-dragnon'i abany ijy. Laha nahita an'ajy ny aban-drajajaviave, die faly ijy. 4 Ilay rafojan-dahiny, ilay aban'ilay jajaviavy, die nandresy lahatre an'ajy mba hijanogna telo andro. Nihinagna sy ninogna areo, ary nandany ny aligna tao. 5 Nifoha aloha areo tamin'ny andro fahaefatre, ary niomagna ny henga ijy, kanefa ny aban'ilay jajaviavy nijake tamin'ny vinanto lahiny hoe: ''Tohagno amin'ny mofo aloha ny tegnanao, die mahajo mandeha anareo avy eo. 6 Die nidoboke ijy roe ka niara-nihinagna sy nisotro. Ary hoy ny aban'ilay jajaviavy hoe: '' Mba magneke handany ny aligna ary mifalia.'' 7 Laha nifoha mba handeha ilay Levita die nanery an'ajy hijanogna ny aban-ilay javavy, nagnova ny drafiny ijy noho ijany ary nadry tao indraike. 8 Tamin'ny andro fahadimy die nifoha aloha mba henga ijy, fa ilay iaban'nilay jajaviavy nijaka tamin'ajy hoe:''Tohano aloha ny tegnanao, ary mandiasa mandra-pihilagn'ny andro.'' Ary die nihinagna ijy roe. 9 Laha niarigna mba henga ilay Levita sy ny vadintsindranony ary ny mpanompony, die nijaka tamin'ajy ny rafonjan-dahiny, ilay aban'ilay jajaviavy hoe.'' Io, mandroso miha sondrogna ny andro.Mijanogna rô niany aligna, ary mifalia. Afake mifoha aloha anareo ampitso ary mandeha mody.'' 10 Fa ilay Levita tsy vognona ny hoandre. Niarigna ijy ary nenga. Nandroso nenga agny Jebosa ijy (Jerosalema ijany). Nanagna ampondra nisy lasely roe ijy_ary niarake tamin'ajy ny vadintsindranony. 11 Laha nagnakeky an'i Jebosa areo, die efa nadiva hifaragna ny andro, ary ilay mpanompo nijaka tamin'ny tompony hoe: ''Andao, andeha antsena hivily ao an-tanànan'ireo Jebosita ary hatory ao amin'ijany.'' 12 Hoy ny tompony tamin'ajy hoe: '' Tsy hivily amin'ny tanànan'ny vahiny ijay tsy isan'ny vahôkan'i Israely antsena. handroso ho agny Gibea antsena. 13 Ilay Levita nijaka tamin'ilay jalahiny hoe: '' Andao, henga antsena ho agny amin'ny raike amin'ireo toeraba hafa, ary handany ny aligna any Gibea na Rama.'' 14 e nandroso areo, ary nilentike ny masoandro laha nagnakeky an'i Gibea areo, ao amin'ny faritanin'i Benjamina. 15 Nivily tao areo ary natory tao Gibea. Nandeha areo ary nidoboke teo an-kianjan'ny tanàna, fa tsy nisy olo na raike nampiantragno an-dreo ny aligna. 16 Fa avy eo die nisy lelahy antitre raike nody avy niasa tany an-karenagna igny tsondrognandro igny. Avy agny amin'ny tany ambon'i Efraima ijy, ary nivahiny tao Gibea. Nefa ny olo nidoboke teo amin'ilay toerana die Benjamita. 17 Nampitrake ny masony ijy ary nahita ny mpandeha avy lavitre teo an-kianjan'ny tanàna. Hoy ilay lahy antitre hoe: '' Ho aja anareo? Ary avy aja ny fiavianareo?'' 18 Ilay Levita nijaka tamin'ajy hoe: ''An-dalagna avy agny Betleheman'i Joda ho agny amin'ny faritre lavitre indrindrake amin'ny tany ambon'i Efraima, ijay niaviako ahay. Nenga agny Betlehaman'i Joda iaho, ary handeha ho agny an-dragnon'i Yaveh, nefa tsy hisy olo hampiantragno an'ahy. 19 Managna tovohindy sy hanigna ho an'ny ampondranay ahay, ary misy mofo sy divay ho an'ahy sy ho an'ireo mpanompo vavinao atoy, ary ho an'ny jalahinao miarake amin'ireo mpanomponao. tsy misy raha maha ory anay.'' 20 Die niarahaba an-dreo ilay lahy antitre hoe: '' Ho aminareo ny fiadagnana! Iaho no hiantoke ny filanao abiaby. Fa aja mandry eo an-kianja fotsiny.'' 21 Koa die nindosin'ilay lelahy tagny an-dragnony ilay Levita ary nomeny rahanina ireo ampondrany. Nanasa ny hongony areo ary nihinagna sy ninogna. 22 ha mbola nampifaly ny fony areo, die nisy lelahy maromaro tao an-tanàna, lelahy tsy mendrike, magnodidigna ny tragno, namopoke ny varangaragna. Nijaka tamin'ilay lahy antitre, ilay tompon-tragno areo, nagnano hoe: ''Avoahy ilay lelahy ijay tonga ao an-dragnonao, fa hiara-mandry amin'ajy ahay. '' 23 Nivôke ilay lelahy, tompon-tragno, ary nijaka tamin'dreo hoe: ''Tsiary, ry rahalahiko, aja magnano ijao raha ratsy ijao tompoko! Satria vahiny ato an'dragnoko io lelahy io, ka aja magnano ijao raha fady ijao! 24 Io, ato ny janako vavy virijiny sy ny vadintsindranony. Mamela an'ahy hitondra an-dreo hivôke ijao. Aolagno sy atôvy amin-dreo ijay tianareo atao amin'ajy. Fa aja magnano raha fady hôtran'ijany amin'io lelahy io!'' 25 Kanefa tsy niteno an'ajy ireo lelahy, ka die nosamborin'ilay lelahy ny vadintsindranony ary navôkany teo amin-dreo ijy. Nisambotre an'ajy areo, nagnolagna an'ajy, ary nagnararaotre an'ajy nandritre ny aligna, ary nabelan-dreo handeha laha najava ratsy. 26 Laha najava ratsy die tonga raviavy ary lavo teo am-barangaragn'ny tragnon'ilay lelahy ijay nisy ny tompony ijy, ary die nitsirara teo ijy mandra-pahajavan'ny andro. 27 Nifoha ny tompony nony maraigna ary namoha ny varangaragn'ny tragno ka nivôke ijy hanohy ny lalagny. Nahita ny vadintsindranony niampatre teo am-barangaragna ijy, ary ny tagnany teo an-tokonam-baravaragna. 28 Die hoy ilay Levita tamin'ajy hoe: ''Mifohaja, andao antsena handeha. ''Nefa tsy nisy namaly. Nasampiny teo amin'ny ampondra ijy, ary nenga hody agny amin'ilay lelahy. 29 ha tonga tagny an-dragnony ilay Levita, die nangala antsy ijy, ary noresiny ny vaditsindranony, ary notetehiny, isam-pamavanin-taolagna, ho roe ambin'ny folo tetike, ary nampitondra an'ijany naneragna ny Israely abiaby. 30 Ijay abiaby nahita an'ijany die nijaka hoe: ''Raha mbola tsy nisy nagnano na nahita lahatamin'ny andro niakaran'Israely avy tagny amin'ny tany Egypta mandrak'androany ijao.Hevero ijany! Toroy hevitre ahay! Jakao anay ijay tokony hatao!''