Toko faha 18

1 Tamin'ijany andro ijany die mbola tsy nisy mpanjaka tao Israely. Nandrembe faritre honegnana ny fokon'ireo Dana, satria tamin'ijany andro ijany die tsy nahajo lova tamin'ireo fokon'Israely mihitsy areo. 2 Nagnirake lelahy dimy tamin'ireo olo marobe tao amin'ny fokon-dreo ny vahôkan'i Dana, lelahy ijay mpiady efa ja-draharaha avy amin'ny Zora sy Estaola, mba handeha hihôdihôdy an-tongotre amin'ilay tany ary hijaha an'ijany. Hoy areo tamin-dreo hoe: ''Mandehana ka jahao ilay tany.'' tonga tagny amin'ny tany abon'i Efaraima areo, tagny amin'ny tragnon'i Mika, ka nijanogna tao areo ny aligna 3 aha nagnakeky ny tragnon'i Mika areo, die nahafantatre ny vorian'ilay jalahy Levita. Koa die nijanogna areo ary nagnotany an'ajy hoe: ''Ija no nitondra anao tatoy? Ino no ataonao atoy amin'itoy toerana itoy? Nagnino anao no eto?'' 4 Hoy ijy tamin-dreo hoe : '' Ijao no nataon'i Mika tamin'ahy: Nokaramainy ho lasa mpisorogny iaho.'' 5 oy areo tamin'ajy hoe: ''Mba agnotanio rô ny hevitr'Andriamanitra, mba hahafantaranay laha hahomby ny dia ijay ombanay.'' 6 Hoy ilay mpisorogna tamin-dreo hoe: ''Mandehana am-piadanagna. Hitarike anareo amin'ny lalagna tokony hombanareo i Yaveh. 7 Ary lasa ireo lelahy dimy ka tonga tao Laisy, ary nahita areo fa niaigna am-piadagnana ny vahôka, hôtran'ny fomba niaignan'ireo Sidoniana , tsy vôkorotagna sy vôaaro. Tsy nisy nambabo na nampahory an-dreo tamin'ny fomba abiaby tao amin'ilay tany. Nonigna lavitre an'ireo Sidoniana areo ary tsy nanagna fifandresana tamin'ija na ija. 8 Nipody tagny amin'ny fokony agny Zora sy Estaola areo .Die nagnontany an'ajy ireo havany hoe : '' Ino no tatitrareo?'' 9 Hoy areo hoe: ''Avia! Andao hanafike an-dreo! Efa hitanay ilay tany ary tena tsara ijany. tsy hagnano n'ino n'ino ve anareo? Aja mitaredretra hanafike sy hangala ilay tany. 10 Laha mandeha anareo, die ho tonga agny amin'ny vahôke ijay mihevitre fa tsy managna ahiahy areo, ary midadasike ilay tany! Nomen'Andriamanitra anareo ijany - die toerana raike ijay tsy ahitana tsy fahampiana ao amin'ilay tany.'' 11 Nisy eninjato lahy avy amin'ny fokon'i Dana, mitagna fitôvam-piadiana, nivôke avy tagny Zora sy Estaola. 12 Niakatre areo ary nitoby tao Kiriata-Jearima, ao Joda.Ijany no antony Hangeha'ny olo io toerana io hoe Mahane-dana mandrak'ankehitriny; ao andrefan'i Kiriata-Jerearima ijany. 13 ala tao nenga agny ambon'ny Efraima areo ary tonga tao amin'ny tragnon'ny Mika. 14 die hoy areo dimy ijay nandeha mba hihôdihôdy tagny amin'ny firenenen'i Laisy tamin'ireo havany hoe: ''Fantatrareo ve fa ato amin'ireto tragno ireto die misy efoda , terafiman sarin-draha vôsikotra, ary sarin-draha agn'idigna? Koa manapaha hevitre ankehitriny ny amin'ijay ho ataonareo. '' 15 Koa nivily tao areo ary tonga tagny amin'ny tragnon'ilay jalahy Levita, tao an-dragnon'i Mika, ary niarahaba an'ajy areo. 16 Ary niarahaba an'ajy areo Danita eninjato, nanagna fitôvam-piadiana, die nitsangagna teo amin'ny fidiran'ny vavahady. 17 Ireo lelahy dimy ijay nandeha hisafo ilay tany die nenga agny ary nangala ilay sarin-draha vôsikotre, ilay efoda, ireo terafima, ary ilay sarin-draha agn'idigna, laha nijoro teo amin'ny fidirana eo amin'ny vavahady niarake tamin'ny lelahy eninjato mitondra fitôvam-piadiana ilay mpisorogna. 18 Laha nenga ao amin'ny tragnon'i Mika ireo ka nangala ilay sary agn'idigna, efoda, ireo andriamanitry ny tokantrano, ary ilay sarin-draha vôsikotre, die hoy ilay mpisorogna tamin-dreo hoe: '' Ino ijao ataonareo ijao?'' 19 Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Mangigna! Atôvy eo amin'ny vavanao ny tagnanao ary andao hiarake aminay, ary ho abanay sy mpisorogna anay anao ve ny mpisorogna ho an'ny tragnon'ny lelahy raike, sa mpisorogna ho an'ny foko raike sy fianakaviam-be raike ao Israely?'' Faly ny fon'ilay mpisorogna. 20 Nalainy nilay efoda, ireo terafima, sy ilay sarin-draha vôsikotre, ary lasa nagnarake ny vahôke ijy. 21 Die nitodike areo ary lasa. Nataon-dreo teo alohany ireo jaja madinike, torak'ijany koa ireo biby fiompe sy ny fananan-dreo. 22 Laha lavitre tsara ny tragnon'i Mika areon die niara-nangehana ireo lelahy ijay tao amin'ireo tragno akekin'ny tragnon'i Mika, ary tratre niarake tamin'ireo Danita areo. 23 Nangaike mahare ireo Danita areo, die nitodike areo ary nijaka tamin'i Mika hoe: Nagnino anareo no niara-nangehana? 24 Hoy ijy hoe: ''Nangalarinareo ireo andriamanitra ijay namboariko, nalainareo ny mpisoroko, ary lasa anareo. Ino sisa tavela ho an'ahy? Ahôna no hahafanareo magnotany an'ahy hoe: Ino no maha ory anao? 25 Hoy ny vahôkan'i Dana tamin'ajy hoe: '' Tsy tokony hagnabela anay haharegne ijay abiaby jakainao anao, laha tsy ijany die hisy olo vignitre mafy hanafike anao, ary ho vonoina anao sy ny fianakavianao. '' 26 Ary nanohy ny lalagny ireo vahôkan'i Dana.Laha hitan'i Mika fa matanjake lôtre ho an'ajy areo, die nivily ijy ary nipody tagny an-dragnony. 30 tokagn'i Vahôkan'i Dana ho an-dreo ilay sarin-draha vôsikotre. Jonatana janak'i Gersoma, janak'i Mosesy, ijy sy ireo janagny lahy die samy mpisorogn'ny fokon'ireo Danita lahatamin'ny andro nahajoana ilay tany. 31 Ary die nanompo ny sarin-draha vôsikotre ijay nataon'i Mika areo nandritre ny fotôgna naha-tao Silo ny tragnon'Andriamanitra.