Toko faha 17

1 Nisy lelahy raike tagny amin'ny tany abon'i Efraima, Mika no agnarany. 2 Hoy ijy tamin'ny endriny: ''Ny sekely volafotsy 1.100 ijay nalainao mahasike ilay ojogna nivoriananao, ijay regniko_ ijao eto ijao! Managna volafotsy iaho aty amin'ahy.Iaho no nangalatre an'ijany.'' die hoy ny endriny: ''Ho tahin'ny Yaveh anie anao ; ry janako! 3 Napody tagny amin'ny endriny ny sekely volafotsy 1.100 ary hoy iendriny tamin'ajy '' Hatokagnako ho an'i Yaveh itoy volafotsy itoy, fa hagnambotre sarin-draha vôsikotre sy sarin-draha an'idigna ny janako lahy. ka ankehitriny, die apodiko aminao itoy.'' 4 Laha napodiny tamin'ny endriny ilay vola, die nangala sekely volafotsy roanjato ny endriny ary nomeny ireo mpanefy vy ijay nagnano an'ireo ho sarin-draha vôsikotre sy an'idigna ijany, ary napetrake tao an-dragnon'i Mika ireo. 5 Ilay lelahy hoe Mika die nanagna tragnon-tsampy ary nagnambotre efoda sy tokantragnon'ireo andriamanitra ijy, ary nagnakarama raike tamin'ireo janagny lahy ijy mba ho lasa mpisorogny. 6 Ary tamin'ireo andro ireo die tsy nisy mpanjaka tagny Israely, ary nagnano ijay marina teo imasony ny olo abiaby. 7 Ary nisy jalahin'i Betlehema raike tagny Joda, avy amin'ny fianakavian'i Joda, ijay Levita. Nijanogna tagny ijy mba hagnantanterake ireo adidiny. 8 Niala tao Betlehema tao Joda ralelahy mba handeha ary handrembe toerana hidobohana. Laha nandeha ijy die tonga tagny an-dragnon'i Mika tagny amin'ny tany amin'ny tany abon'ni Efraima. 9 Die hoy i Mika tamin'ajy: ''Avy aja ny fiavianao?'' Ary hoy ralelahy tamin'ajy: ''Levita an'i Betlehema tao Joda iaho, ary nandeha iaho mba handrembe toerana ijay mety honegnako.'' 10 e hoy i Mika tamin'ajy: ''Mijanogna eto amin'ahy, ary ôka anao ho ray sy ho mpisorogna ho an'ahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-taogna, sikigna fitafy, ary ny haninao anao. ''Koa die niditre tao an-dragnony ilay Levita. 11 Die nahafaly an'ilay Levita ny hidoboke miarake amin-dralelahy, ary ho an'i Mika die tonga hôtran'ny raike amin'ireo janagny lahy ilay jalahy. 12 Natokagn'i Mika ho an'ny adidy masina ilay Levita, ary lasa mpisorogny ilay jalahy, ary tao an-dragnon'i Mika. 13 Ary hoy i Mika: ''Fantatro ankehitriny fa hagnano soa ho an'ahy i Yaveh, satria lasa mpisorognako itoy Levita itoy.''