Toko faha 16

1 Nandeha tagny Gaza i Samsona ary nahita mpivaro-tegna tagny, ka niara-nandry tamin'ajy ijy. 2 Die nojakaina ireo Gazita hoe: '' Tonga teto i Samsona.'' Nohodidign'ireo Gazita ilay toerana, niandry an'ajy teo amin'ny vavahadin'ny tanàna nandritre ny aligna tontolo areo. Nitajogna ny fahanginana nandritre ny aligna tontolo. Nijaka areo hoe: ''Abelao ahay hiandry mandra-pahajavan'ny andro, ary avy eo avelao ahay hamono an'ajy.'' 3 Nijanogna teo am-pandriana i Samsona mandra-pisasaky ny aligna.Tamin'ny sasak'aligna die nifoha ijy ary nobatainy ilay vavahady sy ny tolàgny roe. Nongotany niala tamin'ny tany ireo, ny hidine sy ny abiaby, natao teo an-tsorogne ijany, ary nindosiny niakatre tany an-tampon'ny tety ireo, teo alohan'i Hebrona. 4 Tafaran'ijay, die nitia viavy raike ijay nidoboke tagny an-dohasahan'i Soreka i Samsona.Delila no agnarany. 5 Tonga teo amin'ajy ireo mpanapak'ireo Filistina, ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Fitaho Samsona mba hahitana ijay misy ny tanjagny lehibe, sy ny fomba handresenay an'ajy, mba hahafahanay mifehy an'ajy hagnala baraka an'ajy. Atôvy ijany, die omenay kiraidraike aby 1.100 sekely volafotsy anao.'' 6 ry hoy i Delila tamin'i Samsona hoe ''Miangavy rô, jakao an'ahy ny mahatonga anao tena matanjake, ary nagnino no hahafahan'ny olo mamatotre anao, ka ho vôfehy anao? 7 Hoy i Samsona tamin'ajy: '' Laha fatoran-dreo amin'ny tady vaovao fito ijay tsy mbola namaignina iaho, die lasa malemy iaho ary ho hôtran'ny lehilahy hafa abiaby.'' 8 Ary nitondra tady vaovao fito ijay tsy mbola namaignina ho an'i Delila ireo mpanapak'ireo Filistina. 9 Ary nanagna lelahy miafina am-pahanginana, ijay niandry tao amin'ny efitragnony agnatiny ijy. Hoy ijy tamin'ajy hoe: '' Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!'' Nefa notapahiny hôtran'ny tadi-kofehy mikasika afo ireo tady. Ka tsy fantatre ijay tsiambaratelon'ny tanjagny. 10 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: ''Ijao ny fomba namitahanao an'ahy sy nijakanao vandy tamin'ahy.Miangavy rô jakao an'ahy hoe ahôna no hahafahana mandresy anao. 11 ''Hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Laha fatoran-dreo amin'ny tady vaovao ijay tsy mbola nampiasaina ho amin'ny asa iaho, die halemy iaho ary ho hôtran'ny lelahy hafa abiaby. 12 Die nangala tady vaovao i Delila ary namatotre an'ajy tamin'ireo, sady nilaja tamin'ajy hoe: ''Eo aminao ireo Filistina , ry Samsona!'' ilay lelahy nandigny die tao agn'efitragnony agnatiny. Nefa notapahin'i Samsona hôtran'ny poti-kofehy ireo tady teo amin'ny sandriny. 13 Hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: ''Hatramin'ijao anao die mbola namitake an'ahy ary nijaka vandy tamin'ahy. Jakao an'ahy hoe ahôna no mety handresna anao.'' Fa hoy i Samsona tamin'ajy hoe: '' Laha jerinao ao amin'ny lamba eo amin'ny fanjerana ny vonan'ny voloko miisa fito, ary avy eo die fantsiho eo amin'ny fanjerana ijany, die ho hôtran'ny lelahy haf a abiaby iaho.'' 14 Laha natory ijy die nojerin'i Delila tamin'ny fanjerana ny foto-bolo fito tamin'ny volony ary namantsika an'ijany teo amin'ny fanjerana ijy, die hoy ijy tamin'ajy: ''Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona! '' Nifoha tamin'ny torimasony ijy ary nongotany teo amin'ny fanjerana ilay lamba sy ilay tsatoke. 15 y ijy tamin'ajy hoe: ''Ahôna no hahafahanao mijake hoe: 'Tiako anao, laha tsy hijara ireo tsiambaratelonao amin'ahy anao? Namitake an'ahy intelo anao ary tsy nijaka tamin'ahy ny najahoanao ijao tanjake lehibe ijao.'' 16 Isan'andro die nanery an'ajy mafy tamin'ireo jakany raviavy, ary nanery an'ajy mahare ny mba haniriany ho faty. 17 Die nojakain'i Samsona tamin'ajy ny raha abiaby ary hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Mbola tsy notapahina tamin'ny fangitre mihintsy ny volon-dohako, satria iaho die Nazirita ho an'Andriamanitra lahatagny an-trokan'ny endriko. Koa laha haratana ny lohako, die hiala amin'ahy ny heriko, ary halemy iaho ka ho hôtran'ny lelahy hafa abiaby.'' 18 Laha hitan'i Delila fa nijaka ny marina momba ny raha abiaby tamin'ajy ijy, die nandefa sy nangaika ireo mpanapak'ireo Filistina ijy, nagnano hoe: ''Miakara indraike, fa efa nojakainy tamin'ahy ny raha abiaby. '' Die nenga amin'ajy ireo mpanapak'ireo Filistina, nitondra ny volafotsy tegne an-tagnan-dreo. 19 Nataony resy tory teo amin'ny feny ijy. nangaike lelahy raike mba hagnaratre ireo vogna fito teo amin'ny lohany ijy, ary nanomboke nandresy an'ajy ijy, satria niala tamin'ajy ny heriny. 20 Ary hoy ijy hoe: '' Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!'' Nifoha tamin'ny torimasony ijy ary nijaka hoe: ''Hivôke hôtran'ireo fotôgna hafa iaho ary hagnetsike malalake ny tegnako. ''Nefa tsy fantany fa efa niala tamin'ajy i Yaveh. 21 Nisambotre an'ajy ireo Filistina ary nangala ny masony. Nitondra an'ajy nijotso tagny Gaza areo ary namatotre an'ajy tamin'ny rojo varahigna. nagnakodia ny fikoseham-bary tagny am-pigadrana ijy. 22 Fa nipody naniry indraike ny volo teo amin'ny lohany tafaran'ny nagnaratana an'ijany. 23 Niara-nivory ireo mpanapak'ireo Filistina mba hanolotre sorogna lehibe ho an'i Dagona andriamanitran-dreo, ary hifaly. Hoy areo hoe: ''nandresy an'i Samsona fahavalontsena ny andriamanintsena ary nametrake an'ajy teo am-pelan-tagnantsena ijy.'' 24 Laha nahita an'ajy ny vahôke, die nidera ny andriamanitran-dreo, satria hoy areo hoe: ''efa nandresy ireo fahavalontsena ny andriamanintsena ary nagnome an'ajy ho antsena- ilay mpandrava ny tanànantsena, ijay na,ono ny rahabe tamintsena. 25 ha nankalaja areo, die hoy areo hoe: ''Angeho i Samsona, mba hampihomehy antsena.'' nangaike an'i Samsona hivôke ny tragnomejigna areo ary nampihehy an-dreo. Nataon-dreo nitsangagna teo agnelagnelan'ireo andry ijy. 26 Hoy i Samsona tamin'ilay jajalelahy ijay nitantagna ny tagnany hoe: ''Abelao iaho mba hikasika ireo andry ijay manohagna ny tragno lehibe, mba hahafahako miantehitre amin'ireo. 27 Ary feno lelahy sy viavy ny tragno. Tao aby koa ireo mpanapak'ireo Filistina abiaby.Teo amin'ny telo arivo teo ho eo ny lelahy sy viavy teo an-tafon-tragno, ijay nijaha an'i Samsona nampiala voly an-dreo 28 ngaike an'i Yaveh Samsona, ary nagnagno hoe: tsarovy iaho! Miangavy re hatanjaho amin 'itoy indray mitorake itoy mandy, ry Andriamanitra, mba hahafahako mamaly indray mandeha ireo Filistina ny amin'ny nangalany ireo masoko roe'' 29 Notajonin'i Samsona ireo andry roe teo agnivo ijay nanohagna ny fagnorenana lehibe, ary niankina teo amin'ireo ijy, ny andry raike tamin'ny tagnany havia. 30 Hoy Samsona hoe: Abelao iaho ho faty miaraka amin'ireo Filistina!'' Nagnampatre ny heriny ijy ka nidaraboke teo amin'ireo mpanapake sy teo amin'ireo olo abiaby ijay tao agnatin'ijany ilay fanoregnana lehibe. ka ny maty ijay novonoiny tamin'ijy maty die mihôtre noho ireo ijay novonoiny nandritre ny fiaignany. 31 Ary nijotso ireo rahalahiny sy ireo ankohonan'ny abany abiaby.Nangala an'ajy areo, nitondra an'ajy nipody ary nandevigna an'ajy teo agnelagnelan'i Zora sy Estaola tagny amin'ny toeram-pandevegnana an'i Manoa, iabany. Nitsara an'i Israely nandritre ny roapolo taogna i Samsona.