Toko faha 15

1 ndro maromaro tatoy afara, nandritre ny fotôm-pambilejam-bary, die nangala janak'osy i Samsona ary nandeha namangy ny vadiny. Hoy ijy tamin'ny tegnany hoe: ''Handeha ho agny amin'ny efitragnom-badiko iaho. '' Nefa tsy namela an'ajy niditre ny abany. 2 Hoy ny abany hoe: '' Hoy ny abany hoe: " tena nihevitre iaho fa nankahala an'ahy anao. ka nomeko ny akamanao ijy. Tsara noho ijy ny jandriny vave, sa tsy ijany? Alay ho solon'ny ijy." 3 amaly an-dreo i Samsona hoe: '' Amin'ijany fotôgna ijany die tsy hanan-tsiny eo imason'ireo Filistina iaho laha manao ijay mampalahelo an'ajy areo. 4 Die nandeha i Samsona ka nisambotre amboahaolo telonjato ary namaitre an'ajy ireo kiroadroa, isan-drambony. Avy eo die nangala fanilo ijy ka namatotre an'ireo teo agnivon'ny rambo roe. 5 Laha nandrehitra ny fanilo ijy, die namela ireo amboahaolo handeha egny amin'ny vary manirin'ireo Filistina, die samby norôn-dreo ny vary niangona sy ny vary naniry tegne an-karenagna, niarake tamin-dreo tanim-bôloboka sy ireo tanin' oliva. 6 Nagnotany ireo Filistina hoe: ''Ija no nagnano ijao? Ija no nagnano ijao?'" Nojakaina tamin-dreo hoe: ''Samsona, ilay vinanto lahin'ilay Timnita, no nagnano ijao satria nangala ny vadin'i Samsona ilay Timinita ary nagnome an'ajy ho an'ny akamany. ''Die nandeha ireo Filistina ary nagnoro an'ajy sy ny abany. 7 Ary Samsona nagnano tamin-dreo hoe: "laha ijany no ataonareo, die hamaly faty anareo iaho, ary laha vita ijany, vô hijanogna iaho. 8 Ary notapatapahiny tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy ny fen-dreo. ry nijotso ijy ka nonigna tao anaty lava-bato tao amin'ny hantsan'i Etama. 9 y niakatre ireo Filistina ka niomagna ho amin'ny ady tagny Joda ary nanangagna ny tafikan-dreo tagny Lehy. 10 Ireo lelahin'i Joda nijaka hoe:"Nagnino anareo no niakatre hanafike anay? "Nagnino anareo no niakatre hanafike anay? "Hoy areo hoe: "Manafike ahay mba hahafahanay misambotre an'i Samsona, ary hagnano amin'ajy hôtran'jay nataony taminay." 11 Ary nisy olon'i Joda telo arivo nijotso tao amin'ny lava-baton'ny hantsan'i Etama, ary nijaka tamin'i Samsona areo hoe: "Moa ve anao tsy mahafantatre fa ireo Filistina no mpanapake eo amintsena? Ino ijao nataonao taminay ijao? Namaly an-dreo i Samsona hoe: ''Ijay nataon-dreo tamin'ahy; die hôtran'ijany mandy koa no nataoko tamin'dreo.'' 12 Hoy areo tamin'i Samsona: ''Nijotso ahay mba hamatotre anao sy hanolotre anao eo am-pelatagn'ireo Filistina. Ary Samsona nijake tamin-dreo hoe: ''Mifanta amin'ahy fa tsy anareo no hamono an'ahe. 13 '' Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Tsiare, hamatotre anao amin'ny tady fotsiny ahay ary hanolotre anao eo amin-dreo.Mampagnategna ahay fa tsy hamono anao. ''Die namatotre an'ajy tamin'ny tady roe vaovao areo ary nitondra an'ajy niakatre avy tao amin'ny vato. 14 Laha tonga tagny Lehy ijy, die nihorakorake ireo Filistina laha vao nifanepake tamin'ajy. Tonga tamin'ajy tamin-kery ny Fanahin'i Yaveh. Ireo tady teo amin'ny sandrine die tonga hôtran'ny lamba rongony may, ka nilatsake avy tegne an-tagnany. 15 Nahita valagnoranon'ampondra vaovao i Samsona, ka nangala an'ijany ary namono arivo lahy tamin'ijany. 16 Ary Samsona nijaka hoe: ''Tamin'ny valagnoranon'ampondra no namonoako arivo lahy, isan'antontany aby.'' 17 ha tapitre ny jakan'i Samsona, die natsipiny ilay valagnorano, ary nangehany hoe Ramata Lehy ilay toerana. 18 Maka mahare i Samsona ka nangaike an'i Yaveh ary nijaka hoe: ''Nagnome an'itoy fandresena lehibe itoy tamin'ny mpanomponao anao. Kanefa ankehitriny koja moa ve ho fatin'ny hetaheta iaho ka ho lavo eo an-tagnan'ireo ijay tsy vôfora?'' 19 gnasarake ilay toerana babangôgna ijay tagny Lehy ka nisy rano nivôke. Laha ninogna ijy, die nipody ny heriny ary velombelogna indraike ijy. Koa nangehany hoe En-Hakore ilay toerana mandrak'ankehitriny. 20 Nitsara an'Israely nandritre ny roapolo taogna i Samsona tamin'ny andron'ireo Filistina.