Toko faha 14

1 ijotso, tagny Timna i Samsona, ary nahita viavy raike tagny ijy, ijay raike amin'ireo janake vavin'i Filistina. 2 Laha nipody ijy, die nijaka tamin'ny ibany sy endriny hoe: ''Nahita viavy raike tao Timna iaho, raike amin'ireo janake vavin'ireo Filistina. Ary alay mba ho vadiko ijy.'' 3 Hoy ny abany sy endriny tamin'ajy hoe: '' Moa ve tsy misy viavy amin'ireo janake vavin'ny havanao, na amin'ireo vahôkanao abiaby? Hangala vady avy amin'ireo Filistina tsy mifora ve anao?'' Hoy i Samsona tamin'ny abany hoe: ''Alay ho an'ahy ijy, fa laha nijaha an'ajy iaho, die mahafinaritre an'ahy ijy.'' 4 Fa ny abany sy endriny die tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh ijany raha ijany, satria nagniry ny hanagna ady amin'ireo Filistina Ijy( satria tamin'ijany fotôgna ijany die ireo Filistina no nanjaka tao Israely). 5 ry nijotso tagny Timna niarake tamin'ny abany sy endriny i Samsona, ary nenga agny amin'ny tanim-bôlobok'i Timna areo. Ary, indro, nisy liogna tanora raike nagnatogna ary nierogna tamin'ajy. 6 Tonga tampoke tamin'ajy ny Fanahin'i Yaveh, ary die nosamahiny mora hôtrany magnasamake janak'osy ilay liogna, ary tsy nisy n'ino n'ino tegne an-tagnany. Nefa tsy nijakainy tamin'ny abany na ny endrine ijay nataony. 7 Nandeha ijy ary nivoria tamin'ilay viavy, ary laha nijery an'ajy ijy, die nahafinaritre an'i Samsona ijy. 8 Andro vitsivitsy tatoy afara laha nipody hangala vady an'ajy ijy, die nivily lalagna ijy mba hijaha ny fatin'ilay liogna. Ary, io, nisy andiana vôgna sy tintele teo amin'ny sisa tabela tamin'ny vatagn'ilay liogna. 9 Nangoniny tegne an-tagnany ilay tintele die nandeha ijy, sady nandeha ijy no nihinagna. laha tonga tagny amin'ny abany sy endriny ijy, die nagnomejany ampahany areo, ary nihinagna. Nefa tsy nijakainy an-dreo fa nalainy tegne amin'ny sisa tabela tamin'ilay vatagn'ilay liogna ilay tintele. 10 Nijotso tagny amin'ijay nisy an'ilay viavy ny aban'i Samsona, ary nagnano fanasana tagny i Samsona, satria ijany ny fomban'ny jalahy. 11 Laha vô hitan'ny havan'ilay viavy ijy, die nitondran-dreo telpolo tamin'ireo tamin'ireo akamany mba hiarake amin'ajy. 12 Hoy i Samsona tamin-dreo hoe: ''Abelao iaho niany hijaka fanognotognona aminareo. Laha misy raike aminareo mahita an'ijany ary mijaka amin'ahy ny valiny mandritre ny fito andro fanasana, die homeko rongony fotsy madinike telopolo sy sikigna fisoloana telopolo. 13 Fa laha tsy mahajaka amin'ahy ny valiny anareo, die homenareo rongony fotsy madinike sy sikigna fisoloana telopolo isa iaho. '' Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Jakao anay ny fanognotognonao, mba hahafahanay maharegne an'ijany.'' 14 Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Avy ao amin'ny mpihinagna no misy raha fohanina; avy ao amin'ny matanjake no misy raha malefake.'' kanefa tsy nahita ny valiny tao agnatin'ny telo andro ireo vahiny nasainy. 15 Tamin'ny andro fahefatre die hoy areo tamin'i vadin'i Samsona hoe: ''Fitaho ny vadinao mba hilajany aminay ny valin'ilay fanognotognona, laha tsy ijany die horônay anao sy ny tragnon'ny abanao. Nasainareo tatoy mba ho ampahantraina angaha ahay?'' 16 Nanomboke nitagny teo ankatrehany ny vadin'i Samsona; hoy ijy hoe: ''Halanao iaho! tsy tia an'ahy anao! Nagnano fanognotognona tamin'ny saragny tamin'ireo vahôkako anao, fa tsy nijaka tamin'ahy ny valiny. ''Hoy Samsona tamin'ajy hoe: ''Jahao iaho, laha tsy nijaka tamin'ny abako na ny endriko iaho, die tokony hijaka aminao ve?'' 17 Nitagny nandritre ny fito andro naharetan'ny fanasana ijy. Tamin'ny andro fahafito die nijakainy tamin'ajy ilay valiny satria nanery mahare an'ajy ijy. Die nijakainy tamin'ny havan'ny vahokany ilay valiny. 18 Nelohan'ny nilentehan'ny masoandro tamin'ilay andro fahafito die ireo lelahy teo an-tanàna tamin'ajy hoe: hoe '' Ino no mamy mihôtre ny tintele? Ino no matanjake mihôtre ny liogna? Hoy i Samsona tamin-dreo hoe: ''Laha tsy niray tsikombakomba tamin'ny vadiko anareo, die tsy nahita ny valin'ny fanognotognonako.'' 19 Ary tonga tampoke tamin-kery tao amin'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Nijotso tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tamin'ny lelahin-dreo. Nalainy ny raha nobaboin-dreo, ary nomene an'ireo ijay nagnajava ilay fanognotognona ny sikignan-dreo. Tamim-pahavignirana mafy, die niakatre tagny amin'ny tragnon'ny abany ijy. 20 Natolotre ny akamany akeky an'ajy indrindra ny vadin'i Samsona.