Toko faha 9

1 Mikasika ny asa fanompôna ho an'ny mpino, tsy tena ilaiko ny manoratre ho anareo. 2 Fantatro ny momba ny fagnirianareo, ijay ireharehako amin'ny olon'ny Makedonia. Nojakaiko an-dreo fa Akaia die efa vognona nanomboke tamin'ny taogna lasa. Ny jotom-ponareo no nanosike ny ankamaroan-dreo hiasa. 3 Ary nirahiko ny rahalahy mba tsy ho java-pôgna ny fireharehantsena momba anareo, ary mba ho vognona ianareo, araka ny efa nojakaiko ho anareo. 4 Laha tsy ijany, laha misy makedoniaiana rahabe miarake amin'ahe ary mahita anareo mbola tsy vognona, die ho megnatre antsena-tsy mijaka n'ino n'ino momba anareo aho-noho ny fahatokiana anareo. 5 Ka mieritreritre iaho fa ilaina ny mamporisike ireo rahalahy henga agny aminao ary hagnano fifagnarahana mialoha ny amin'ny fagnomejana efa nanpagnatenainao. Ijany die ahafahana mivognona hôtrin'ny fitahiana, fa tsy hôtrin'ny raha tsy ajo ekena. 6 Ny tena ijy die itoy: Ny raike ijay mamafe bitike die hambele ny bitike mandy koa, ary ny raike ijay mamafe amin'ny tanjom-pitahiana die hambele fitahiana mandy koa. 7 Abelao ny kiraidraike hagnome arake ijay efa norafetine tao am-pone. Aja abela magnome fahoriana na faneriterena ijy. Fa ny mpagnome am-pifaliana no tian'Andriamanitra. 8 Ary Andriamanitra die afake mampitombo ny fitahiana ho anao, mba, amin'ny raha abiaby, die afake hahajo ijay ilainareo abiaby fehijay anareo. Ijany no misy die mba ahafahanareo manatombo ny asa soa anareo. 9 Ijany die arake ny vôsoratre hoe:" Nojaraine ireo harenane ary nagnome an'iregne ho an'ny misotry. Maharitre mandrakijay ny fahamarignany." 10 Ijy ijay mamatsy voa ho an'ny mpamboly ijay mamafe sy ny mofo ho an'ny sakafo, die hamatsy sy hampitombo ny voanao mandy koa ho amin'ny famafajana. Hampitombo ny vokatry ny fahamarinanao ijy. 11 Hahajo haregna amin'ny fomba abiaby anao mba hahatonga anao ho malala-tagnana. Ijany die hitondra fanehoam-pisôrana an'Andriamanitra amin'ny alalanay. 12 Ny fagnatanterahana io asa fanompôna io die tsy vitan'ny hoe mahafeno ny raha ilain'ny mpino fotsiny mandy. Mitombo mandy koa ijany amin'ny asa fanomejam-pisôrana rahabe an'Andriamanitra. 13 Fa noho ny fitsapana anareo ijay vôporofo amin'io asa io, die hagnome voninahitre an' Andriamanitra koa anareo amin'ny fankatovana ny fibabohanareo amin'ny filanjantsaran' i kristy. Die hagnome voninahitre an'Andriamanitra koa anareo amin'ny fahalalan-tagnanareo amin'ny fagnomejana ho andreo sy ny olo abiaby. 14 Magniry anao areo, ary mivavaka ho anao areo. Magnano ijany areo noho ny fahalebiajan'ny fahasoavan'Andriamanitra ao aminao. 15 Ho an'Andriamanitra anie ny saotre noho ny fagnomejane tsy hay jakaina!