Toko faha 10

1 Iaho, Paoly, Mengavy anareo ny tegnako, amin'ny fagnetren-tena sy hamoram-pagnahin'ny Kristy. Malemy fagnahy aho laha efa eo amin'ny fagnatrehanareo, nefa sahy ny aminareo aho laha efa tsy eo. 2 Mangataka aminareo aho, tsy mila mahasahy amin'ny fahatokisan-tegna. Nefa aho mieritreritra fa mila sahy manohitra ireo ijay mihevitra fa antsena die miaigna araka ny nofo. 3 Fa na ijany aja, die mandeha araka ny nofo ahay, tsy miady araka ny nofo. 4 Fa ny fediena ijay ediena die tsy ara-nofo. Noho ijany, managna hery avy lahatagny an-dagnitra ireo ba hamotehana ny fagnahy ratsy. Fa tsy mitondra na ino na ino ny hevi-pitaka andreo. 5 Hisimbaitsena mandy koa ireo raha ambone ijay manangagna fanoherana ny fahalalana an'Andriamanitra. Fa mihevitra ny hambabo ny tsirairay amin'ny fankasitrahana an'i Kristy antsena. 6 Ary miomagna amin'ny fagnafejana ny fihetsika tsy fankasitrahana manontolo antsena, vantany vôha tanteraka ny fankasitrahanareo. 7 Jahay majava ijay eo alohanareo. Fa na ija na ija no resy lahatra fa ijy no kristy, ôka hampahatsiaro ny tegnany ijy fa ijy tokôtrany die Kristy, die hôtran'ijany koa antsena. 8 Eny fa na die mirehareha kely aja aho mahakasika ny fahefantsena, ijay namen'ny Tompo antsena ba hanaganana ary tsy hanimba anareo, tsy ho megnatra aho. 9 Tsy tieko ijany ny hampagitakitaka anareo amin'ny alalan'ny taratasiko. 10 Fa ny olo saragny nijaka hoe: ''Matotra sy mahery ny taratasiny, nefa malemy ara-batagna ijy. Tsy magneva hitenoina ny jakany.'' 11 ôka ny olo hôtran'ireny hahalala fa ireo jaka ao amin'ny taratasinay tamin'ny fotôgna tsy nahateo anay die maharegny ny asa tokony ho amboarinay manontolo laha avy agny ahay. 12 Tsy mandeha lavitra ahay na mampitaha ny tegnanay amin'ireo ijay midoka tegna. Fa laha magnametatra ny tegnany amin'ny hafa ijy ireo ary mampitaha ny tegnany amin'ny hafa, die tsy ho marigna. 13 Antsena, na ijany aja, tsy hirehareha mihôtra ny tokony ho ijy. Fa koja, amboarinay mandy ijany inay misy farany araka ny nanendren'Andriamanitra anay, fetra ijay mahakasika anareo. 14 Fa tsy mitandrigna ny tegnanay ijahay laha efa avy tegny aminareo. Ahay no avy vôlohany hatratagny aminareo niaraka tamin'ny filajantsaran'i Kristy. 15 Tsy nirehareha mihôtran'ny fetra antsena ny momban'ny asan'ny sasagne. Nefa koja, antenainay fa hitombo ny finônareo amin'ny asa lehibe mandigny ny tsiraidraike, ary samy amin'ny fetrany aby. 16 Fa ijao no antenainay, ba hahafahanay mitory ny filanjantsara na die agny amin'ny toerana lavitra anareo aja. Tsy hirehareha mahakasikan'ny asa efa vita tagny amin'ny faritra hafa antsiena. 17 Nefa ôka ny raika ijay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo.'' 18 Fa tsy le raike ijay manolotre ny tegnany no ankatoavina. Nefa koja, ôka le raike ijay natolotry ny Tompo.