Toko faha 11
1
Magniry aho ba ahafahanareo mamela an'ahy nagnano fahadalana kely sasagne. Fa tena mamela an'ahy tokôtra anareo!
2
Fa saro-piaro ny momba anareo aho. Managna fahasarotam-piaro araka an'Andriamanitra aminareo aho, hatramin'ny nagnomejako toky anareo tao amin'ny fanambadiena hôn'ny vady raika mandy. Nagnome toky aho ny hanolotra anareo hôtran'ny virijiny madio hôn'ny Kristy.
3
Fa matahotra aho saba, tahaka ny namitahan'ny a menaragna an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafetsene, ny eritreritrareo die mety hiala amin'ny fanoloran-tegna amin-kitsim-po madio amin'ny Kristy.
4
Fa eritrereto hoe misy olo raike avy hitory Jesôsy hafa hôtran'ilay raika torintsena. Na eritrereto hoe mandray Fagnahy hafa hôtran'ijay resinareo anareo. Na eritrereto hoe mandray filajantsara hafa hôtran'ilay raika ijay niresinareo anareo. Mamela ireny javatra tsara mandy anareo!
5
Satria mieritreritra aho fa tsy farany ambany hôtran'ireo lajaina fa hoe apôstôly ambone.
6
Fa na die tsy nijarina handaha-teny aja aho, die nijarina tamin'ny fahalalana. Tamin'ny fomba rehetra sy tamin'ireo raha rehetra die natanay ho fantatrareo ijane.
7
Moa nanota ve aho tamin'ny fenêtre ne tegnako ba hisandratanareo? Fa nitory ny filajantsaran'Andriamanitra maimaimpôgna hônareo aho.
8
Nandroba ireo fengonana hafa aho tamin'ny alalan'ny fagnekena fanohagnana avy amin-dreo ba ahafahako manompo anareo.
9
Laha efa niaraka taminareo aho sy nila fagnampena, die tsy magnavesatra na ija na ija. Fa ireo raha nilaiko die namen'ireo mpirahalahy ijay avy tagny Makedonia. Tamin'ny raha rehetra die nitandrigna ny tegnako tsy ho enta-mavesatra aminareo aho, ary hanohy hanao ijane.
10
Laha ato amin'ahe ny fahamarinan'i Kristy, die tsy hangigna ijany fireharehako ijany agny amin'ny faritr'i Akaia.
11
Nahôna? Satria tsy tieko ve anareo? Andriamanitra mahalala.
12
Ary ny raha atako die bola h'atako fehijay, ba metiny ahafahako mangala ny fitaregnana hôtran'ny fagnakiagnana an'ahe sy ny fitaregnana hôtran'ireo tien-dreo hireharehana--fa areo die hita manao asa mitovy amin'ijay atanay.
13
Fa ny olo tahaka ijany die apôstôly sandoka sy mpiasa mamitake. Areo die magnano sarisarin'ny tegnany tahaka ny apôstôlin'i Kristy.
14
Ary ijany die tsy mahagaga, fa ndre ny satana aja mampiseho ny tegnany hôtran'ny anjelin'ny fahajavana.
15
Tsy mahagaga koa raha mampiseho ny tegnan-dreo hôtran'ny mpanompon'ny fahamarinana ireo mpanompone. Ny ajaran-dreo die ijay mendrika ny asan-dreo.
16
Lajaiko idraika hoe: "Aja avela hieritreritra hoe môla aho. Fa raha magnano ijany anareo, die reso hôtran'ny môla aho ka ba hirehareha kele.
17
Ijay lajaiko momba an'itoy fahatokisana mirehareha itoy die tsy araka ny lajain'ny Tompo, fa mety hôtran'ny môla aho.
18
Fa efa raha be ny olo no mirehareha araka ny nofo, die hirehareha mandy koa aho.
19
Nagneky am-pifalena ireo môlan'areo. Die hoe hendry ny tegnanareo!
20
Fa mandefitra amin'ny olo anareo raha magnandevo anareo, mandany anareo, magnararaotra anareo, mandray ny tegnany ho ambony hôtran'areo, na raha mamely tefaka anareo ijy.
21
Ho lajaiko amin'ny fahafaham-barakanay fa malemy lôtra ahay tamin'ny fanôvana ijane. Laha misy mirehareha-die mivoria hôtra ny môla aho-Aho mandy koa die mirehareha.
22
Hebreo ve areo? Aho mandy koa. Israelita ve areo? Aho mandy koa. Taranak'i Abrahama ve areo? Aho mandy koa.
23
Mpanompon'i Kristy ve areo? (Mivoria hôtran'ny olo very saigna aho.) Mihôtra noho ijany aja aho. Bola niasa mafy mihôtra noho ijany aja aho, tagny am-ponja matetika, tamin'ny kapôka mihôtra ny fepetre, fetrehana loja maro mahafate.
24
Avy amin'ny alalagn'ireo Jiosy no nandresako " Kapôka efapolo latsaka raike" Indimy.
25
Intelo aho no nifihina tamin'ny hajo. Indraika aho no nitilina vato. Intelo aho no vaky sambo. Nandany indraika aligna sy indraika andro tegny an-dranomasina aho.
26
Nandeha matetika aho, tamin'ny lojan'ny ony, tamin'ny lojan'ireo mpandroba, tamin'ny lojan'ny oloko manokagna, tamin'ny lojan'ny Jentilisa, tamin'ny loja tagny amin'ny tanàna, tamin'ny loja tagny agn'efitre, tamin'ny loja tagny an-dranomasina, tami'ny loja avy alin'ireo rahalahy sandoka.
27
Efa tamin'ny asa mafy sy java-tsarotra aho, tamin'ny aligna tsy misy torimaso, tamin'ny mosary sy hetaheta, tamin'ny fifadin-kanina matetika, tamin'ny hatseka sy fitanjahana.
28
Ankôtra ny raha hafa, misy tsindry isan'andro amin'ahe nohon'ny fagnaheko amin'ny fengonana rehetra.
29
Ija no malemy, ka tsy malemy aho? Ija no manafintohigna, ka tsy mirehitra aho?
30
Laha tsy mentsy mirehareha aho, die hirehareha momba ijay maneho ireo fahalemeko.
31
Ilay Andriamanitra sy Rain'i Tompo Jesôsy, ilay raika ijay deraina mandrakijay, die mahalala fa tsy mivandy aho!
32
Tagny Damaskosy, governora ambanin'i Areta mpanjaka die niambigna ny tanànan'i Damaskosy ba hanambotra an'ahe.
33
Fa nampidignina tamin'ny tanty teo amin'ny hôka raika teo amin'ny manda aho, ka die nilefa ny tanànane.