1
Iaho die tsy mintsy mirehareha, fa tsy misy na ino na ino ajo laha tamin'ijany. Fa iaho die fanohy ny amin'ny fahitana sy ny fagnambarana laha tamin'ny Tompo.
2
Mahafantatre lelahy ao amin'ny Kristy iaho ijay efatre amin'ny folo taogna lasa ijay na ao amin'ny tegna na ivelagnin'ny tegna, iaho tsy mahafantatre, Andriamanitre mahafantatre nalaina niakatra tagny amin'ny lagintre faha telo.
3
Die fantatro fa io lelahy io—na ao amin'ny tegna na ivelagn'ny tegna iaho tsy mahafantatre, Andriamanitre mahafantatre—
4
die nalaina niakatre tao amin'ny paradisa die maharegny rahz ijay tena masina lôtre amin'olo ny hijaka anajy.
5
Amin'ny agnaran'olo hôtran'ijany die hirehareha iaho. Fa amin'ny agnaran'ny tegnako die tsy hirehareha iaho, hafa —tsy ny momba ny fahalemeko.
6
Raha te hirehareha iaho, die tsy ho môla iaho, fa te hijaka ny marina. Famehy tegna amin'ny fireharehana iaho, mba tsy hisy na ija na ija hihevitre anahy ho ambony noho ijay hita aminahy na regny laha taminahy.
7
Hamehy tegna amin'ny fireharehana mandy koa iaho noho ny karazana fagnambarana miavake io. Noho ijany, mba tsy ho feno fireharehana iaho, die nasena tsilo ny nifitrako, ny mpitondra hafate'i satana hqgnakorotagna anahy, mba tsy hirehareha lôtre iaho.
8
Intelo no nitalaho tamin'ny Tompo ny momba ijany, mba hangalana ijany aminahy.
9
Fa hoy ijy taminahy hoe: ''Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny hery die natao ho lafatre ao amin'ny fahalemena.'' Aleoko mirehareha bebe kokoa ny amin'ny fahalemeko, mba hipetrahan'ny herin'i Kristy aro aminahy.
10
Noho ijany finaritre ny noho i Kristy ao amin'ny fahalemena, amin'ny fagnevatevana, amin'ny korotagna, amin'ny fagnenjehana ary amin'ny fotôn-tsarotre iaho. Fa na amin'ny vena amin'ny vena malemy iaho, die matanjake.
11
Iaho die lasa môla! Anareo no mamôrise anahy amin'ijany, fa iaho die tokone noderanareo. Fa iaho die tsy ambany noho ny ijay angihina hoe Apostoly ambony ireo mihintsy, na die tsisidikany aja iaho.
12
Ny famantarana ny marina ny maha Apostoly die nontanterahina teo amin-dreo tamin'ny faharetana tanterake, famantarana sy fahajindagnana ary asa mahery.
13
Fa ahôna anareo no tsy die manam-batrake nohon'ny fiangonana sasane, ankôtan'ny tsy maha vesatre anahy ho anareo? Mamelà anahy noho ijany fahadisoana ijany!
14
Indro! vognona ho tonga fagnitelone agny amireo iaho. Tsy ho vesatre ho anareo iaho, fa iaho die tsy mila ijay anareo. Anareo no ilaiko. Fa tsy ny janake no tokone hihary ho an'ny ray aman-dreny. Fa koja ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an'ny janake.
15
Iaho die ho faly tanterake handany sy ho laniana ho an'ny fagnahinareo. Raha mitia be anareo iaho, die hotiavina kely ve iaho?
16
Fa na die hôtran'ijany ajy tsy nagnavesatre anareo iaho. Fa satria iaho fetsifetsy be, die iaho ny raike jay nahazo anareo tamin'ny hafetsena.
17
Moa ve nagnararaotre anareo tamin'ny alalan'ny olo ijay nalefako taminareo iaho?
18
Nagnirake malaky an'i Titosy ho agny aminareo iaho, die nalefako niarake taminajy ny rahalahy sasane.Moa ve nagnararaotre anareo i Titosy? Moa ve tsy raike lalagna antsena? Moa ve tsy niray dia antsena?
19
Moa ve mieritreritre anareo fa mandritre ijany fotôgna abiaby ijany die niaro ny tegnanay taminareo ahay? Eo agnatrehan'Andriamanitre, no ijakanay tao amin'ny ny raha abiaby mba ho fampaherezana anareo
20
Fa mangoaigna iaho saodi rehefa tonga iaho die mety tsy hahita nareo araka ny fanantenako. Mangoaigna iaho saodie tsy ho hitanareo araka ny fagnantenanareo. Mangoaigna aiho soa die mety hisy fifamalena, fialognana, firehatan'ny havignirana, fikasana amin'ny fitiavan-tena, fifosana, fieboheboana, ary fikorontanana.
21
Mangoaigna iaho saodie rehefa miverigna, die hagnambany anahy eo anatrehanareo ny Andriamanitrako. Mangoaigna iaho saodie mety halahelo ny amin'ny rahabe ijay nanota teo aloha, ka mbola tsy nibebake tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana die ny fijejojejoana feno fagnirian-dratsy ijay nataon-dreo.