Toko faha 13

1 Fagnintelone iajo ny nandalovako atiky aminareo. "Ny fempangana abiaby die tsy mentsy mienga amin'ny porofo amin'ny vavolombelogna roe na telo." 2 Efa nijaka tamin'ireo ijao nagnota ao talohake sy tamin'ireo sisa abiaby laha teo fagnindroane, ary vorianiko indraike ijane: "Laha avy indraike iaho, die tsy halahelo an-dreo iaho." 3 Mijaka anareo ijane iaho satria anareo die mandremby porofo fa i Kristy die mijaka amin'ny alalako. Tsy malemy aminareo Ijy. Fa koja, mahere ao aminareo Ijy. 4 Fa Ijy nifantsihana amin'ny falemena, nefa velogna tamin'ny herin'Andriamanitra. Fa antsena koja die malemy amin'Ajy ao, kanefa antsena die miara-miaigna amin'ny herin'Andriamanitra eo agnivonareo. 5 Diniho ny tegnanareo laha tianareo ho hita fa ao amin'ny finôna anareo. Tsapay ny tegnanareo, mbola ajonareo an-saigna ve ijane momba ny amin'ny tegnanareo fa i Jesôsy Kristy die ao aminareo? Laha ohatra anareo ka tsy nahavoa tamin'ny fitsapana. 6 Ary iaho matoky fa anareo die hagneky fa antsena die nahavoa amin'ijane fitsapana ijane. 7 Ankehitriny antsena die mivavake amin'Andriamanitra fa tsy afake ny hagnano raha ratsy anareo. Iaho die mivavake ny afake ahitana fa antsena die nahavoa amin'ny fitsapana. Fa koja, Iaho die nivavake ny mba hahafahanareo magnano ijay mete kanefa antsena die mety ho hita ho hôtran'ny tsy nahavoa tamin'ny fitsapana. 8 Fa antsena die tsy afake ny hagnano raha mifanohitra amin'ny fahamarignana, fa hôn'ny fahamarignana irerike mandy. 9 Fa antsena die mifaly laha marefo ary mafy anareo. Fa antsena mandy koa die mivavake mba ho ataontsena feno anareo. 10 Manoratra ireto raha ireto iaho laha magnalavitre anareo iaho, ka laha miaraka aminareo iaho die tsy vôtery mitondra anareo an-kavignirana amin'ny fampesana ny fahefako-ijay nomen'ny Tompo an'Ahe, mba hanagnako anareo, ary tsy hanimba anareo. 11 Farane, ry rahalahy, mifalia! mesà hômin'ny fameregnana amin'ny tokony ho ijy, mahereja, mifagnike ny kiraidraike, miegna am-pedagnana, ary ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fedagnana die hiarake aminareo. 12 Mifampiarabà anareo amin'ny fagnorohana Masina. 13 Ireo mpino abiaby die magnano veloma anareo. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny saragne die manambatre ny andinine faha 13 amin'ny andinine faha 12 ary magnano ny andinine faha14 ho andinine faha 13.] 14 Enga anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompo, ny fitiavan'Andriamanitra sy ny ferahana amin'ny Fanahy Masina ho ao aminareo abiaby.