1
Tianay ho fantatrareo, ry rahalahy, ny mahakasika ny fahasoavan'Andriamanitra ijy nomena tao amin'ireo fengonan'i Makedonia.
2
Nandritran'ny fitsapana makadiry amin'ny fahorena, ny fitondraky ny hafaliena sy ny fara-fisotrian-dreo die namaitre harena makadirin'ny falalahan-tagnana.
3
Satria mijoro vavolombelogna iaho fa nagnano be arak'ijay vitane areo, ary mihôtra an'ijay vitany aja. Ary tamin'ny sitrapon-dreo manokagna
4
sy niaraka tamin'ny fitaraignana mahare no nangatahan-dreo taminay ny fahafahana mba hanagna anjara amin'itiky asa fanompôna eo amin'ireo mpino itiky.
5
Tsy niseho arak'ijay nantenainay ijane. Fa koja, nanolotra ny tegnane meloha tamin'Andriamanitra areo. Ary nanolo-tegna hônay areo tamin'ny sitrapon'Andriamanitra.
6
Ka nandrisika an'i Titosy ahay, ijay efa nanomboka an'ijane asa ijane, mba hagnatanteraka ny fahasoavana eo aminareo.
7
Fa anareo koja die manan-karena amin'ny raha abiaby, amin'ny finôna, amin'ny jaka, amin'ny fahalalana, amin'ny fahajotôna abiaby, ary amin'ny fitiavanareo anay. Ka atôvy ajo antoke mba hanan-karena amin'ijane asa fahasoavana anareo. [NY ULB sy ny UDB, miaraka amin'ireo dikan-teny maro hafa, die mivaky hôtran'ijao: "Ao amin'ny fitiavanao anay." Ny dikan-teny hafa die mivaky mivaky hôtran'ijao: "Ary ao amin'ny fiavanay anareo"]
8
Tsy mijaka ijane hôtran'ny didy iaho. Fa koja, mijaka ijane iaho amin'ny fitsapana ny fahamarignan'ny fitiavanareo amin'ny fampitahana ijane amin'ny joto-pon'olo hafa.
9
Satria fantatrareo ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Ka na nanan-karena aja ijy, die nanjary misotry loholoho anareo, ka amin'ny alalan'ny fisotriana no mety ajahônareo harena.
10
Amin'ijane voria ijane die hagnome toro-hevitre anareo iaho ijay hagnampy anareo. Herintaogna dilatre ijay, die tsy nanomboke nagnano raha fotsine anareo, fa nagniry ny magnano ijane.
11
Ankehitriny vitay ijane, hôtran'ny nisian'ny joto-po sy fagnirena hagnano ijane, die enga anie hagnatontosa ijane koa anareo, arak'ijay ajonareo hamboarina.
12
Satria laha magniry mahare ny hagnano ijane asa ijane anareo, die raha tsara sy ajo ekena ijane. Tsy mentsy mifototre amin'ijay hanagnan'olo raike an'ijane, fa tsy ijay tsy anagnane.
13
Fa ijane asa ijane die tsy mba hagnamevagna ny hafa ary hagnavesatre anareo. Fa koja, tokone hisy rarine.
14
Ny harenanareo amin'ijao fotôgna ijao die hagnome ijay rombejin-dreo. Ka ijane koa die mba hagnomejan'ny harenan-dreo ijay rombejinareo. Ary mba agnomejan-dreo ny rarine.
15
Araka ijay efa vôsoratra hoe: "ilay raike ijay nanagna rahabe die tsy nanagna sisa, ary ilay raike ijay nanagna ny bitike die tsy nanagna ny tsy ampy.
16
Fa an'Andriamanitra ny fisôrana, ijay nagnavela ny tao am-pon'i Titosy ny fahamatorana ijay anagnako aminareo.
17
Fa ijy tsy nagneky ny haikan-tsena, fa tena matotre ny amin'ijane mandy koa. Nagnantogna anao tamin'ny sitrapone manokagna ijy.
18
Nampengainay ijy niaraka tamin'ilay rahalahy ijay nideraina teo agnivon'ny fengonana abiaby noho ny asane ijay mitory ny filajantsara.
19
Tsy ijay mandy, fa ijy mandy koa die nitondroin'ireo fengonana mba hienga hiaraka aminay hitondra ijao asan'ny falalahan-tagnana ijao. Ijane die hôn'ny voninahitr'ijy Tompo ary hon'ny fagnirenay hagnampe.
20
Mitandrigna ahay ny amin'ny mety hisian'olo mitaraigna mombanay mahakasika an'io sa falalahan-tagnana ijay hamboarinay io.
21
Ka mila mitandrigna ahay mba hagnano ny mete, fa tsy eo agnatrehan'ny Tompo irerike mandy, fa eo alohakan'olo koa.
22
Mandefa rahalahy raike hafa mandy koa ahay miaraka amin-dreo. Matetike ahay no nitsapa an'aje, ary nahita an'aje mafana fo tamin'ny asa rahabe. Majoto loholoho ijy ijao ankehitriny noho ilay fahatokisane makadiry ijay anagnane aminareo.
23
Laha ny amin'i Titosy, ijy no akamako sy mpiara-miasa amin'ahe hônareo. Laha ny amin'ny rahalahinay, die nalefaan'ireo fengonana areo. Voninahitre hôn'i Kristy areo.
24
Ka atoroy an-dreo ny fitiavanareo, ary atoroy amin'ny fengonana ny anton'ny fireharehanay momba anareo.