Toko faha 7

1 Ny malalako, hatramin'ny nagnanantsena ny teny fikasana die ôka antsena hagnadio ny tegnatsika amin'ny java-drehetre ijay mahatonga fahalotôna eo amin'ny vatagna sy fagnahitsena. Ôka antsena hiremby ny fahamasinana amin'ny fatahorana an'Andriamanitra. 2 Reso ahay! Fa tsy nagnano ratsy tamin'ija na ija. Tsy nandratra na nagnararaotea n'ija n'ija ahay. 3 Tsy hagnameloka anareo no hijakako ijao. Fa efa nijakaiko fa ato amponay anareo, fa miara-maty ary miara-velogna antsena. 4 Managna fahatokisana lehibe anareo iaho, ary mirehareha nohon'ny aminareo. Feno fampionognana iaho. Mitobatobake ny hafalieko na die eo aja ny fampahoriena manontolo. 5 Laha efa tonga tagny Makedonia ahay, tsy hanam-pitsaharana ny tegnanay. Noho ijany, ory tamin'ny fomba manontolo ahay nohon'ny fifandirana tagny ivelagne, sy ny tahotra tao agnaty. 6 Fa Andriamanitra, ijay mampahery ny kivy, nampahery anay tamin'ny fahatongavan'i Titosy. 7 Tsy tamin'ny alalan'ny fahatongany fotsiny no hampaherejan'Andriamanitra antsena. Fa tamin'ny fampaherejana ijay noresin'i Titosy avy aminareo. Mijaka antsena ijy ny qmin'ny hamaron'ny fitiavanareo, ny alahelonareo, ary ny fiahinareo anahy laligna. Ka hifaly mandrakijay iaho. 8 Na die nampalahelo anareo aja ny taratasiko, die tsy nampanegnina anahy ijany. Fa nanegnina tamin'ijany aho laha efa nahita fa nampalahelo anareo ijany. Fa nalahelo nandritry ny fotôgna fohike anareo. 9 Ankehitriny die faly aho, tsy hoe satria ory anareo, fa satria ny alahelonareo no nitondra anareo ho amin'ny fibebahana. Anareo die niaigna ny fahorena ao amin'Andrianitra, koa tsy nisy very nijalenareo hônay. 10 Ny fahorena ao amin'Andriamanitra die mitondra amin'ny fibebahana ny mba hahatanteraka ny famonjena. Na ijany aja, ny alahelon'ijao tontolo ijao, die mitondra fahafatesana. 11 Jahay ny vokatry ny fahalebejan'ny fikirijanareo tamin'ny fahorena ao amin'Andriamanitra. Lehibe tokôtre ny hangejan'ny fikirijana tao aminareo ba hagnaporofo fa tsy manan-tsigny anareo. Lehibe tokôtra ny halehiben'ny fahavigniranareo, ny tahotrareo, ny alahelonareo, ny jotom-ponareo, ary ny fagnirenareo hahita ny fahamarinana ijay tokony natao! Ambon'ny raha manontolo die nagnaporofo tamin'ny tegnanareo anareo ba tsy ho meloka amin'ijany raharaha ijany. 12 Na die nanoratra taminareo aja Aho, Ijaho die tsy nanoratra hôn'ny mpagnano ratsy. Nanoratra aho ba tokony hampahalalana ny fahajotônareo teo aminay eo anatrehan'Andriamanitra. 13 Tamin'ny alalan'ijany no nampaherejana anay. Mihôtra nohon'ny fampaherejana ijay efa anagnanay, mihôpanpagna ny fifaleny nohon'ny fifalen'i Titosy, satria ny fagnahiny die velombelogna nohon'ny aminareo manontolo. 14 Laha ohatra ka nirehareha taminajy ny momba anareo aho, die tsy afa-baraka aho. Mifanohitra amin'ny ijany, ireo raha manontolo ijay nijakainay taminareo dia marina daholo, ny fireharehanay momba anareo tamin'i Titosy die vôporofo fa marina tegnane. 15 Ny fitiavany anareo die lehibe kokoa, tahakan'ny nahatsarovany ny fankatoavanareo manontolo, Jahay ny fandresanareo anajy tamin'ny tahotra sy hitakitake. 16 Faly aho satria nanagna fahatokisana tanterake taminareo.