1
Miara-miasa aminajy, ahay mandy koa die mapirisika anareo tsy handray ny fahasoavan'Andriamanitra fahatany.
2
Fa nijaka ijy hoe: ''Tamin'ny fotôgna mety die niteno anareo Aho, ary tamin'ny andron'ny famonjena die nagnampy anareo Aho. Jereo, ankehitriny no fotôgna mety. Jereo, ankehitriny ny andron'ny famonjena.
3
Tsy mametraka vato mahatafantohigna eo alohan'ija n'ija ahay, fa ahay tsy magniry ny haharatsy laja ny asa fanompônay.
4
Fa koja, ahay die magnaporofo ny tegnanay amin'ny asanay abiaby, fa mpanompon'Andriamanitra ahay. Ahay no mpanompony amin'ny feretana be, fahorena, fahaterena, fahasarotana,
5
ireo fioke, fagnagadrana, fikomena, amin'ny asa mafy, amin'ireo aligna tsy misy torimaso, amin'ny mosary,
6
amin'ny fahadiovana, fahalalana, faharetana, fahatsoram-po, amin'ny Fagnahy Masigna, amin'ny tena fitiavana.
7
Ahay no mpanompony ao amin'ny jakan'ny fahamarinana, ao amin'ny herin'Andriamanitra. Ahay die managna ny ferovan'ny fahamarinana hôn'ny tagnana havanana sy havia.
8
Ahay die miasa amin'ny voninahitra sy amin'ny fahafaham-baraka, amin'ny fagnaratsena sy fiderana. Ahay die vôpanga ho mpamitaka kanefa ahay die marina.
9
Ahay die miasa hôtran'ny tsy misy mahafantatra kanefa ahay die bola fanta-daja. Miasa hôtran'ny ho faty ahay, jereo bola miaigna ahay. Miasa ahay hôtran'ny sajina nohon'ny asanay nefa tsy hôtran'ny vôheloka ho maty.
10
Ahay die miasa hôtran'ny malahelo, kanefa die mifaly lalandava. Ahay die miasa hôtran'ny mahantra, kanefa die mampanakarena olo rahabe ahay. Miasa hôtran'ny tsy managna na ino na ino ahay, kanefa hôtran'ny managna ny raha manontolo.
11
Ahay die nijaka ny marina manontolo taminareo, ry Korintiana, ary ny fonay die mivoha midagnadagna.
12
Ny fonareo die tsy nifihejinay, fa anareo no namehy ny fihetseham-ponareo manokagna.
13
Ary ho valin'ny ara-drariny mijaka aminareo hôtran'ny jaja aho, avy hidagnadagna ny fonareo.
14
Aja mifamatotra amin'ireo tsy mpino. Fa ino no iresan'ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Fa ino no iarahan'ny mejigna amin'ny majava?
15
Ino no mety ho fifagnarahana eo amin'i Kristy sy ny Beliala? Na ino no tokony anjara anagnan'ny mpino raike sy amin'ny tsy mpino raike?
16
Ary ino no fifagnarahana misy eo amin'ny tempolin'Andriamanitra sy ny Sampy? Fa antsena die tempolin'Andriamanitra velogna, araka ny efa nijakain'Andriamanitra hoe: ''Hitoetra eo amin'ijy ireo Aho ary handeha eo amin'ijy ireo. Aho die hôndrin'Andriamanitr'ijy ireo ary ijy ireo die ho oloko.''
17
Noho ijany, ''Movoaha hiala eo amin'ijy ireo, ary mitokana,'' hoy ny Tompo. ''Aja makasika raha maloto, ary Aho handray anareo.
18
Aho die ho Ray hônareo, ary anareo ho janako lahy sy ho janako vavy'', hoy ny Tompo Tsitoha.