1
Fantantsena fa laha rava ny fonegnana eto an-tany ijay ipetrahantsena, die managna tragno avy amin'Andriamanitra antsena. Ijany die tragno tsy nataon'ny tagnan'olombelogna, fa tragno mandrakijay, agny an-dagnitra.
2
Fa eto amin'itoy tragno-ny toy antsena no misento, magniry mafy ny hitafy ny fonegnatsena agny an-dagnitra.
3
Magniry mafy ijany antsena satria amin'ny fanôvantsena ijany die tsy ho hita mijily antsena.
4
Fa laha bola eto amin'itoy tragno-lay itoy tokôtra antsena, die misento, mavesatr'entagna. Tsy te hijily antsena. Fa koja, te hisikina antsena, mba ho atelignin'ny fiaigna ijay mety maty.
5
Ny Raika ijay nagnomagna antsena ho amin'ijany raha ijany indrindra die Andriamanitra, ijay ho avy.
6
Noho ijany die mahatoky hatragny. Tongava saigna fa laha efa ao an-dragno amin'ny vatagna antsena, die lavitre ny Tompo.
7
Fa mandeha amin'ny finôna antsena, fa tsy amin'ny fahitana.
8
Noho ijany die managna fahatokiena antsena. Aleontsena lavitry ny vatagna fa ao an-dragno miaraka amin'ny Tompo.
9
Ka die ataontsena tanjogna ijany, na agny an-dragno antsena na lavitra ijany, mba hahafinaritra Anajy.
10
Fa antsena manontolo die tsy maintsy hiseho eo alohan'ny seja fitsaràn'i Kristy, mba mety ajahôn'ny tsiraidraika ijay mifagnaraka amin'ny java-bita tao amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy.
11
Noho ijany, ny fahafantarana ny tahotra ny Tompo, no handresetsena lahatra ny olo. Ny maha antsena antsena die hitan'Andriamanitra majava. Antenaiko fa majava amin'ny feon'ny fiertreretanareo mandy koa ijany.
12
Tsy miejaka ny handresy lahatra anareo ndraika ahay mba hijaha anay hôtran'ny mahitsy fo. Fa koja, magnome antony hônareo hirehareha nohon'ny aminay ahay, ba hanagnanareo valiteny ho an'ireo ijay mirehareha ny amin'ny endrika ivelany fa tsy ny amin'ijay ao am-po.
13
Fa laha very saigna ahay, die hôn'Andriamanitra ijany; ary laha tonga saigna tsara ahay, die hônareo ijany.
14
Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria ajonay antoka ny hoe: nisy olo raika maty hôn'ny manontolo, ary noho ijany die maty ny manontolo.
15
Maty Ijy hôn'ny manontolo, ba tsy ho velogna hôn'ny tegnany rerika mandy ireo je velogna fa hôn'Ajy ijay maty ary natsangagna nohon'ny fitiavana anajy ireo.
16
Noho ijany antony ijany, manombok'ijao die tsy mitsara na ija na ija araka ny fomban'ny olombelogna antsena, na die efa nijery an'i Kristy tahaka anijany aja antsena taloha. Fa ankehitriny antsena die tsy mitsara na ija na ija hôtran'ny ijany koa.
17
Noho ijany, laha misy olo ao amin'ny Kristy, die olom-bôvao ijy. Efa lasa ny raha taloha, fa efa nanjary vôvao ijy ireo.
18
Ireo raha manontolo ireo die avy amin'Andriamanitra. Nampihavaniny tamin'ny Tegnany tamin'ny alalan'i Kristy antsena, ary nameny antsena ny asa fanompôn'ny fampihavanana.
19
Ijany hoe, ao amin'ny Kristy Andriamanitra no mampihavana an'ijao tontolo ijao amin'ny Tegnany, tsy magnisa ny fahadisôn'ijy ireo amin'ijy ireo. Nankininy taminay ny hafatry ny fampihavanana.
20
Ka vôtendry ho mpisolotegna an'i Kristy ahay, hôtran'ny hoe amin'ny alalanay no hagnanôvan'Andriamanitra ny fentsône. Mengavy anareo ahay, noho i Kristy: ''Mihavàna amin'Andriamanitra !''
21
Namboariny nanjary ho sorogna hôn'ny fahotantsena Kristy. Ijy ilay Iray jay tsy nagnota mihitsy. Namboariny ijany ba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminajy antsena.