Toko faha 4

1 Noho ijany, satria ahay managna ijany asa fanompôna ijany, ary vôha nahajo famindram-po, die kivy ahay. 2 Fa koja, nilavinay ireo fomba mahamegnatra sy mivony. Tsy miaigna amin'ny fitaka ahay, ary mampiasa marina ny jakan'Andriamanitra. Amin'ny fanehôna ny marina, ahay die mandidy ny tegnanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olo ba hindao eo imason'Andriamanitra. 3 Fa laha vôsarogna ny filajantsara, ijany die ho vôsarogna amin'ireo ijay maty raike mandy. 4 Amin'ny toe-javatra mitranga amin'ijy ireo, ny andriamanitr'ijao tontolo ijao nahajamba ireo saigna tsy minon'ijy ireo. Vokatr'ijany, tsy afaka mahita ny fahajavan'ny filajantsaran'ny voninahitr'i Kristy ijy ireo, ijay endrik'Andriamanitra. 5 Fa hay tsy magnambara ny tegnanay, fa i Kristy Jesôsy hôtran'ny Tompo, ary ny tegnanay hôtran'ny mpanomponareo nohon'ny amin'ny Jesosy. 6 Fa Andriamanitra die le raike je nijaka hoe: ''Fa ny fahajavana hamiratra ao amin'ny hejigna.'' Ijy namiratra tao am-ponay, ba hagnome ny fahajavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny fagnatrehan'i Jesosy Kristy. 7 Fa ahay managna anijany harena ijany ao agnaty tavoara tanimanga, ba hajava fa ny hery lehibe mihôtra lavitra die an'Andriamanitra fa tsy anay. 8 Ampijalena amin'ny fomba rehetra ahay, fa tsy resy. Very hevitra ahay fa tsy feno famoijam-po. 9 Enjehina ahay fa tsy nilôjana. Vonina ahay fa tsy rava. 10 Mitondra eo amin'ny tegnanay ny fahafatesan'ny jesosy hatragny ahay, amin'ijay ny fiaignan'i Jesosy mandy koa die hiseho eo amin'ny tegnany. 11 Ahay je velogna die mitondra hatragny ao amin'ny vatagnay ny fahafatesan'ny jesosy, amin'ijay ny fiagnan'ny Jesosy die hiseho eo amin'ny vatagnay olombelogna. 12 Noho ijany ny fahafatesana die miasa ao amitsena, fa ny fiegnana miasa ao aminareo. 13 Fa ahay managna fagnahin'ny finôna mitovy araka jay vôsoratra hoe: 14 ''Nino aho, ary die nijaka aho.'' Mino mandy koa ahay, ary die nijaka hiany koa ahay. Fantatray fa le Ray ijay nanangagna ny Tompo Jesosy die hanangagna antsena ihiany koa miaraka amin'i Jesosy. Fantatray fa hitondra anay miaraka aminareo ao amin'ny fagnatrehany Ijy. 15 Ny raha manontolo die vôparitaka tamin'ny olo rahabe, no hitomboan'ny fagnomejam-pisaorana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 16 Noho ijany die tsy ho kivy ahay. Na die malemy ivelany aja ahay, die havôjina isan'andro isan'andro ny ao agnatiny. 17 Fa amin'ijao andro mandalo ijao, ny fijalena mevagna die magnomagna anay ho amin'ny lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakijay je mihôtra ny fandanjana manontolo. 18 Fa antsena tsy mijaha raha ijay hita, fa ireo raha tsy hita. Ireo raha ijay tsy hita die maharitra mandrakijay.