Toko faha 3

1 Hanomboka hidera-tegna ve ahay? Ahay die tsy ireo taratasy fagnamarihana aminareo na avy aminareo, toy ny olo sasagne, sa tsy jay? 2 Ny tegnanareo no taratasy fagnamarihanay, ijay vôsoratra ao am-potsena, ijay fantatra ary vakin'ny olo abiaby. 3 Anareo die maneho fa taratasy fagnambarana avy amin'i Kristy, ijay natolontsena. ijany die tsy vôsoratra tamin'ny rano menty fa tamin'ny fagnahin'ilay Andriamanitra velogna. Ijany die tsy vôsoratra teo amin'ny takela-bato, fa teo amin'ny takelaky ny fon'olombelogna. 4 Ary ijany no toky ijay anagnantsena eo agnatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy. 5 Atsena die tsy mahefa amin'ny tegnantsena ba handray na ino na ino ijay avy amintsena. Fa koja, ny fahefan-tsena die avy amin'Andriamanitre. 6 Andriamanitra no nagnano antsena ba ho mpanompon'ny fagnekena vaovao. ijany die fagnekena tsy avy amin'ny soratra mamono, ary ny Fagnahy magnome aigna. 7 Ary ny asa ijay niteraka fahafatesana - die vôsoratra teo ambonin'ny vato - die lasa tanim-boninahitra lehibe ka ny vahôkan'Israely die tsy afaka nijery ny tavane, ny voninahitra ijay nihavelogna. 8 Ho voninahitra lehibe toy ny ahoana ny asa ijay ataon'ny fagnahy? 9 Fa laha nanagna voninahitra ny asan'ny fagnamelohana, die ho toy ny ahôna ny fitombôn'ny voninahitry ny asan'ny fahamarinana! 10 Satria tokôtre, ijay namena voninahitra idray mandeha die tsy hanam-boninahitra koa amin'ijany fomba ijane, noho ny voninahitra ijay mampitombo ijane. 11 Fa laha ijay nandalo fotsiny no nanagna voninahitre, die tsy hanagna voninahitra mihôtrana noho ijany ve ijay maharitre! 12 Satria managna toky tahaka ijany atsena, die mahasahy tokôtre. 13 Atsena die tsy tahakan'i Mosesy, ijay nanakotra ny tarehiny tamin'ny voaly, ba tsy hahafahan'ny vahôkan'Israely mijery an'aje mivantagna amin'ny fiafaran'ny voninahitra ijay nandalo mandy. 14 Fa ny sain-dreo die donto. Na die mandrak'ijao ijany voaly ijany die bola mivela eo amin'ny famakena ny fagnekena taloha. Tsy misokatra ijany, satria ao amin'i Kristy mandy ijany no alaina. 15 Nefa na die amin'ijao aja, na ho vena na ho vena no vakina ny lalàn'i Mosesy, die mandrakotra ny fon-dreo ny voaly. 16 Nefa laha mitodika amin'ny Tompo ny olo, die alaina ny voaly. 17 Ary ny Tompo die Fagnahy. Ijay misy ny Fagnahin'ny Tompo, die misy fahafahana. 18 Ary atsena rehetra, tsy misarom-boaly, die mahita ny voninahitry ny Tompo. Atsena di'efa vôvao ho oa amin'ny voninahitra mitovy ijay amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, ijay avy amin'ny Tompo, ijay tsy ija fa ny Fagnahy.