Toko faha 2

1 Fa nanapa-kevitra tsy hagnantogna anareo mandy koa ny tegnako amin'ny fotôgnam-pangirifirena. 2 Laha niteraka alahelo anareo aho, ija no afaka mampifaly anahy ankôtr'ilay raike ijay niratraiko ihiany. 3 Nanoratra aho hôtran'ny namboariko ba tsy ho vôratran'ireo ijay tokony nampifaly anahy laha efa avy lahatagny aminareo. Iaho die managna fahatokisana ny aminareo manontolo fa ny fifaleko die fifalena mitovy amin'ny anareo manontolo. 4 Fa nanoratra hônareo aho avy amin'ny fahorena angejabe, miaraka amin'ny fangirefiren'ny fo, ary miaraka amin'ny ranomaso be. Tsy te-hampalahelo anareo aho. Fa koja, te hampahalala anareo ny halaligny ny fitiavana ijay anagnako hônareo. 5 Laha nisy olo niteraka alahelo, tsy niteraka anijany taminahy mandy ijy, fa amin'ny endrika hafa tsy hahitanareo lôtre anijany amin'areo manontolo. 6 Ampy ny fagnasajena namboarin'ny olo maro agnisa. 7 Ka ankehitriny laha tokony hagnavela heloka sy hampionogna anajy. Amboary ijany ba tsy handifotra anajy amin'ny alahelo be lôtre. 8 Noho ijany mankahery anareo aho ba hagnamafy ampahibe-maso ny fitiavanareo Anajy. 9 Ijany no antony nanoratako, amin'ijy ba mety hitsapako anreo ary hahalalako na mankasitraka amin'ny raha manontolo anareo. 10 Laha magnavela olo anareo, mamela an'ijany olo jany koa aho. Ijay navelako, laha magnavela ny raha manontolo aho, ijany famelana ijany die fitiavana anareo amin'ny fagnatrehan'i Kristy. 11 Ijany die ba tsy hamitahan'ny Satana anay. Satria ahay die mahalala ireo paikane. 12 Nivoha hônahy ny varangaragna tamin'ny Tompo laha efa avy tao amin'ny tanà-dehibe an'i Troasy nitory ny filajantsara an'i Kristy tagny. 13 Na ijany aja, tsy managna fedanasaigna aho, satria tsy nahita ny rahalahiko Titosy tagny. Araka ijany, nandao anajy ireo aho ary nenga niverigna tagny Makedonia. 14 Fa fisôrana anis hôn'Andriamanitra, ijay ao amin'ny Kristy mitarka anay mandrakariva ao amin'ny fandresena. Amin'ny alalantsena die haboeliny na aja na aja ny hagnitra amin'ny fahalalana anajy.. 15 Fa ahay die hagnitra amin'ny Kristy an'Andriamanitra, na teo amin'ireo ijay nivonjena sy teo amin'ireo ijay ho mate. 16 Hôn'ny olo ijay ho mate, ijany die hagnitra lahatami'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. Hôn'ireo sasagny ijay nivonjena, die hagnitra lahatami'ny fiegnana ao amin'ny fiegnana. Ija no tsara amin'ireo raha ireo? 17 Fa ahay die tsy mitovy amin'ireo olo rahabe ijay mivarotra ny jakan'Andriamanitra ba hajahôna tombony. Fa koja, amin'ny fahadiovam-po, no hivoriananay amin'i Kristy, satria nalefa avy lahatamin'Andriamanitra ahay, tao amin'ny fahitan'Andriamanitra.