Toko faha 6

1 Laha efa misy raike aminareo managna ady amin'iraika hafa, sahy handeha agny amin'ny fitsarana eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino ve ijy, fa tsy eo anatrehan'ny mpino? 2 Ngaha tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an'ijao tontolo ijao? Laha ijany, anareo no hitsara an'ijao tontolo ijao, ngaha tsy mahavita mandamigna raharaha madinika ve anareo? 3 Ngaha tsy fantrareo ve fa hitsara ireo anjely antsena? Hôtrany ino, noho ijany, ny fihoaran'ny fahafahantsena mitsara ny raharaha amin'ity fiainana ity? 4 Laha hôtra ary ka afaka mitsara ny raha ijay miseho amin'ny andavanandrom-piaignana anao, nagnino anao no mametraka karajana tranga hôtrany ijany eo agnatrehan'ny ija tsinotsinona ao amin'ny fengonana? 5 Hahamegnatra anareo no hilajako ijany. Moa ve tsy mba misy ampy fahendrena na die raike akory aja eo aminareo handamigna ny disadisa eo amin'ny mpirahalahy? 6 Fa koja, misy mpino hafa eo amin'ny fitsarana, ary ijany raharaha ijany die hapetraka eo anatrehan'ny mpitsara ijay tsy mpino! 7 Ny fisian'ny ady eo aminareo Kristianina rehetra die efa faharesena hônareo sahady. Fa tsy aleo ve mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo ve avela ho vôfitaka ny tegnanareo? 8 Fa anareo die nandiso sy namitaka ny hafa, ary die rahalahinareo mandy areo! 9 Ngaha ve tsy fantatrareo fa ny tsy marina die tsy handova ny Fanjakan'Andriamanitra? Aja mino vande. Ny vetaveta, ny mpanompo sampy, ny mpijangajanga, ny lelahy mpivaro-tegna, 10 ny mpangalatra, ny tsy mahalala onogna, ny mpimamo, ny mpagnaratsy, ny mpanao an-keriny—tsy misy raike amin'dreo handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Hôtrany ijany ny saragny aminareo. Fa efa vôdio anareo, nohamasinina anareo, ary vômarina teo amin'Andriamanitra anareo tamin'ny anaran'ny Tompo Jesôsy Kristy sy tamin'ny Fagnahin'Andriamanitsena. 12 Ny javatra rehetre die ara-dalàna aminahe," fa tsy ny javatra rehetra no mahasoa. "Ny javatra manontolo die ara-dalàna amin'ahe," fa tsy handivojin'ny raike amindreo i aho. 13 ''Ny rahanina die hôn'ny troke, ary ny troke die natao hôn'ny rahanina,'' fa Andriamanitra die hagnafôgna anajy roe io. Ny vatagna die tsy natao hôn'ny fijangajangana. Fa koja, ny vatagna die natao hôn'ny Tompo, ary ny Tompo die hagnome hôn'ny vatagna. 14 Andriamanitra die efa nanangagna ny Tompo sady hanangagna antsena amin'ny heriny koa. 15 Ngaha tsy fantatrareo ve fa ny tegnanareo die ratsam-batagn'i Kristy? Ka hindako ve ijany ny ratsam-batagn'i Kristy ary hampitambatra an'dreo amin'ny mpivaro-tegna? Tsy hisy anie ijane! 16 Ngaha tsy fantatrareo ve fa ijay miraike amin'ny mpivaro-tegna die lasa raike aminaje? Hôtrany vôlajan'ny Soratra Masina hoe: "Ho nofo raika mandy ijy roe." 17 Fa ijy ijay miray amin'ny Tompo die lasa fagnahy raika Aminaje. 18 Elao ny fijangajangana! Ny fahotana manontolo hafa ijay ataon'ny olo die ivelan'ny tegna, fa ny olo mpijangajanga die manota ho amin'ny tegnany mandy. 19 Ngaha ve tsy fantatrareo fa ny vatagnareo die fengonan'ny Fanahy Masina, ijay monigna ao agnatireo, ijay ajonareo avy amin'Andriamanitra? Ngaha tsy fantatrareo? 20 Fa olom-bôvidy anareo. Noho ijany die mankalajà anAndriamanitra amin'ny tegnanareo. [Fagnamarihana: Io dika-teny taloha saragny die mivaky hôtran'ijao hoe: "Noho ijany mankalajà an'Andriamanitra amin'ny tegnanareo sy amin'ny fagnahinareo, ijay an'Andriamanitra." Fa ny dika-teny tsara indrindra die tsy mivaky hôtran'io.]