Toko faha 5

1 Ahay die naharegny tatitre fa misy fijangajangana teto aminareo, karajagna fitondran-tegna tsy mendrike ijay tsy ajo atao mihintsy teo amin'ny jentilisa. Ny tatitre die hoe misy raike taminareo niaraka natory tamin'ny vadin'iabane. 2 Anareo die tena miavognavogna! Fa tsy tokony alahelo ve anareo? Ny raike ijay nagnano ijany die tsy mentsy alàna eto aminareo. 3 Fa na die tsy eo aja ny vatako nefa teo mandy ny fagnahiko, die efa nitsara sahady ny raike ijay nagnano ijany iaho, hôtrany hoe teo iaho. 4 Laha efa miara-mivory amin'ny anaran'i Jesôsy Tompontsena, efa nitsara io olo io sahady iaho. 5 Namboariko ijany mba hagnomejako ijany lelahy ijany ho an'ny Satana ho fanimbana ny nofo, mba ho vôvonjy ny fagnahine amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy tsara ny fireharehanareo! tsy fantatrareo ve fa ny masimasigna kele die magnova ny mofo aby daholo? 7 Diovy ny tegnanareo amin'ny masimasigna taloha mba ho tonga mofo vaovao anareo. Fa Kristy, ny Janak'ondrintsena tamin'ny Paska, die efa natao sorogna. 8 Noho ijany die ôka antsena hankalaja ny fifalefalena, tsy amin'ny masimasigna taloha, ny masimasigna ny fitondrategna ratsy sy faharatsena. Fa koja, ôka antsena hankalaja amin'ny mofo tsy misy masimasignan'ny fahadiovam-po sy fahamarinana. 9 Iaho die nanoratra hônareo tao amin'ny taratasiko mba tsy herahanareo miasa amin'ny olo mpijangajanga. 10 Nefa tsy ny olo mpinjangajanga aby daholo eto amin'ijao tontolo ijao, na ny mpitsiriritre, na ny mpisoloky, na ny mpanompy sampy, fa laha ijay die mila miala amin'ijao tontolo ijao anareo. 11 Nefa ankehitriny iaho manoratre hônareo mba tsy hiara-hiasa miaraka amin'ija n'ija ijay angihina hoe rahalahy nefa miaigna ao anatin'ny fijangajangana, na ijay mpitsiriritra, na ijay mpanompo sampy, na ijay mpiteny ratsy, na ijay mpamarandro, na ijay mpisoloky. Aja mihinagna hanina miaraka amin'ijany mihintsy. 12 Fa ahôna no idirako amin'ny fitsarana areo ijay agny ivelan'ny fengonana? Mifanohitra amin'ijane, anareo ve tsy mitsara ireo ijay ao agnatin'ny fengonana? 13 Fa Andriamanitra die mitsara ireo ijay agny ivelane. "Alay eo aminareo ny olon-dratsy."