Toko faha 4

1 Hötran'ijao no tokony handresan'ny olo antsena, hötran'ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrigna ireo misterin'Andriamanitra. 2 Amin'izany fifandresana ijany, die fepetra takiana amin'ireo mpitandrigna ny maha mendri-pitokisana an-dreo. 3 Fa amin'ahe die raha bitike die bitike ny tokony hitsaranareo na hitsaran'olombelogna abiaby an'ahy. Fa na iaho aja tsy mitsara ny tegnako. 4 Iaho die tsy mahafantatre ijay fiampangana natao tamin'ahy, fa ijany die tsy midika fa tsy manan-tsiny iaho. Ny Tompo no mitsara an'ahy. 5 Noho ijany, aja manognona fitsarana momban'ny raha abiaby mialohan'ny fotögna, mialohan'ny hiavian'ny Tompo. Ijy die hitondra ireo raha mivonin'ny henjigna ho amin'ny fahajavana ary hagnaböke ny fikasan'ny fo. Avy eo ny kiraidraike avy die handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra. 6 Ankehitriny ry rahalahy, nampihatra ireo fitsipika ireo tamin'ahy sy tamin'ny Apolosy iaho nohon'ny aminareo, mba hafahanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fijakana hoe: "Aja mandeha mihötre ijay vösoratra." ijany die mba tsy hisy raike aminareo hirehareha ny amin'ny fankasitrahana ny raike noho ny hafa. 7 Fa ija no mahita fahasamihafana eo aminareo sy ireo hafa? Ino no anagnanareo ka tsy noraisinareo maimaimpogna? Laha nandray an'ijany maimaimpoagna anareo, nahöna anareo no mirehareha hötrany tsy nagnano hötran'ijany? 8 Efa anagnanareo aby ijay abiaby tadiavanareo! Ary efa nanomboka nanjaka anareo--ary ijany die tsy avy taminay! Iaho die magniry tokötre ny nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9 Fa iaho die mieritreritre fa Andriamanitra die nametrake antsena ho apostoly miharihary hotrin'ny farany amin'ny laharana hotrin'ny olo voaheloka ho fate. Ahay die lasa fampisehoana ho an'ijao tontolo ijao--ho an'ireo anjely, ary ho an'ny olombelogna. 10 Ahay die möla nohon'ny amin'i Kristy,fa anareo die hendre ao amin'ny Kristy. Maleme ahay, fa anareo mahere. Anareo die nomem-boninahitra, fa ahay koja tsyˋnalaim-baraka. 11 Mandrak'ankehitriny ahay die mosaregna sy maka, misotry fitafy, vökapoka mafy, ary tsy manann-kialofana. 12 Miasa mahare ahay, miasa amin'ny alalan'ny tananay mandy. Laha latsaina ahay, die miaritre. 13 Laha hanjahina ahay, die mitso-drano. Laha voaendrikendika ahay, die mijaka amin-katsaram-panahy. Ahay die niova, ary mola resina ho, fakon'ijao tontolo ijao sy faikan'ny raha abiaby. 14 Iaho die tsy nanoratre ireo raha ireo mba hahamegnatre anareo, fa manitsy anareo hötrin'ny janaka malalako. 15 Fa na die mangna mpiambigna iray aligna ao amin'ny Kristy aja anareo, die tsy managna aba marobe. Fa iaho die lasa iabanareo ao amin'ni Kristy Jesösy tamin'ny alalan'ny filazantsara. 16 Noho ijany die mamporisike anareo iaho mba mpangala tahake an'ahy. 17 Ijany no nadefasako anareo an'i Timoty, janaka malalako sady mahatoky ao amin'ny Tompo. Ijy die hampahatsiaro anareo ireo lalako ao amin'ny Kristy, hötrin'ny ampianarako an-dreo na aia na aia sy ao amin'ny fiangonana abiaby. 18 Ankehitriny die lasa miavogna ny saragne aminareo, magnano hötrin'ny hoe tsy ho avy agny aminareo iaho. 19 Fa ho avy tsy ho ela any aminareo iaho, laha sitraky ny Tompo. Ary tsy hahafantatra ny vorian'ireo ijay tena miavogna fotsine iaho, fa hahita ny herin-dreo. 20 Satria ny fanjakan'Andriamanitra die tsy mifototre amin'ny voria fa amin'ny hery. 21 Ino no rombejinareo? Tokone ho avy agny aminareo miaraka amin'ny tsorakajo ve iaho sa miaraka amin'ny fitiavana feno halemem-pagnahy?