Toko faha 3

1 Ary Iaho, ry rahalahy, die tsy afaka nijaka taminareo hôtran'ny olo ijay ara-pagnahy, fa koja hôtran'ny olo ara-nofo, hôtran'ny jajabitike ao amin'ny Kristy. 2 Nofahanako ronono anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy vonona tamin'ijany anareo; ary na ankehitriny aja die mbola tsy vognona amin'ijany anareo. 3 Satria anareo mbola araky ny nofo. Fa na aia misy fasarotam-piaro sy fifandirana eo aminareo, die tsy miaigna araky ny nofo ve anareo, ary tsy mandeha amin'ny fenitry ny olombelogna? 4 Fa laha misy raike mijaka hoe:'' Iaho magnaraka an'i Paoly,'' ary ny raike mijaka hoe:'' Iaho magnaraka an'i Apolôsy,'' die tsy miaigna hôtran'ny olombelogna mandy ve anareo? 5 Ija ary Apolôsy? Ija Paoly? Mpanompo ijay tamin'ny alalany no ninoanareo, ijay nomen'ny Tompo asa avy. 8 Fa ijy ijay mamboly sy ijy ijay manondrake die raike, ary ny kiraidraike die samy hahajo ny karamany avy araka ny asany. 9 Fa ahay die mpiara-miasa amin'Andriamanitra, sy tranon'Andriamanitra. 10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra ijay nomena an'ahy hôtran'ny mpagnano trano mahay, die nametrake ny fototra aho ary hafa no magnorigna eo amboniny. Fa aoka ny lelahy kiraidraike hitandrigna ny amin'ny fomba hanoregnany eo amin'ijany. 11 Fa tsy misy olo mametrake fototre afa-tsy ilay raike ijay napetrake, ijany hoe, Jesôsy Kristy. 12 Ankehitriny laha misy olo magnorina eo ambonin'ny fototre amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hajo, bojake, na tovo hindy, 13 die habôke ny asany, fa ny andro majava no hagnatoro an'ijany. Satria habôke amin'ny afo ijany. Ny afo no hitsapa ny hatsaran'ny nataon'ny kiraidraike. 14 Laha mitoetra ny asan'ilay olo, die hahajo valisoa ijy; 15 fa laha may ny asan'ilay olo, die ho fatiantoke ijy, fa ijy tegnany die ho vonjena, hôtrin'ny ny nitsôke tamin'ny afo mandy. 16 Tsy fantatrareo ve fa anareo die temp olin'Andriamanitra ary Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao aminareo? 17 Laha misy olo manimba ny tempolin'Andriamanitra, die hanimba ijany olo ijany Andriamanitra. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary hôtran'ijany koa anareo. 18 Aja avela hisy olo hamita-tena. Laha misy olo eo aminareo mihevitre fa hendre ijy amin'ijao vanim-potôna ijao, avelao ijy ho lasa "môla" amin'ijay mba mety ho lasa hendre ijy. 19 Fa ny fahendren'ijao tontolo'ijao die fahamôlana eo amin'Andriamanitra. Satria vôsoratra hoe: "Nahatratre ny hendre tao amin'ny hafetsen-dreo Ijy." 20 Ary koa hoe: "Ny Tompo die mahalala fa ny fihevitry ny hendre die raha fahatany." 21 Noho ijany tsy misy fireharehana momban'ny olo koa! Fa ny raha abiaby die anareo, 22 na Paoly, na Apôlosy, na Kefasy, na ijao tontolo ijao, na fiaignana, na fahafatesana, na raha ankehitriny, na raha ho avy. Ny raha abiaby die anareo, 23 ary anareo, die an'i Kristy, ary Kristy die an'Andriamanitra.