Toko faha-2

1 Laha negneo aminareo iaho, ry rahalahy, die tsy avy niaraka tamina lahateny na fahendrena iaho laha nagnatoro ny misitery mahakasika an'Andriamanitra. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny maro hafa die mivaky hôtran'ijao hoe: ''Laha nagnatoro ny fijorôna vavolombelogna mahakasika an'Andriamanitra iaho.''] 2 Fa nanapa-kevitra tsy hahalala n'ino n'ino iaho laha teo aminareo, hafa-tsy Jesôsy Kristy,sy Ijy vôfantsinke. 3 Ary niaraka taminareo iaho teo amin'ny fahalemena, sy teo amin'ny tahotre, ary teo amin'ny fangorohoroana makadiry. 4 Ary ny hafatrako sy ny fagnambarako die tsy tamin'ny teny fandresen-dahatre ny fahendrena. Fa koja, tamin'ny fanehoan'ny Fagnahy sy ny hery, 5 mba tsy ho ao amin'ny fahendren'olombelogna ny finoanareo, fa ao amin'ny herin'Andriamanitra. 6 Amin'ijao fotôgna die mivoria fahendrena eo amin'ireo matotre antsena, fa tsy ny fahendren'ijao tontolo ijao, na ny an'ireo mpanapak'ijao vaninandro ijao, ijay mandalo mandy. 7 Fa koja, mivoria ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fahamarignana mivony antsena, ilay fahendrena mivony ijay nitondroin'Andriamanitra meloha talohakan'ireo vaninandro abiaby ho voninahitrantsena. 8 Tsy nisy tamin'ireo mpanapak'ijao andro ijao no nahafantatre io fahendrena io, fa laha nahatakatre ijane areo tamin'ijane fotôgna ijane, die tsy ho nifantsihan-dreo ilay Tompon'ny voninahitre. 9 Fa arak'ijay vôsoratra hoe: ''Ireo raha ijay tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofigna naharegny, tsy nisy eritreritre nahajo sary an-tsaigna, ireo raha ijay nomagnin'Andriamanitra hôn'ireo tia an'Aje.'' 10 Ireo ny raha nasehon'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fagnahy. Fa ny Fagnahy die mandremby ny raha abiaby, na die ireo raha lalignan'Andriamanitra aja. 11 Fa ija no mahafantatra ny fisaignan'olo raike hafa-tsy ny fagnahin'olo amin'ajy ao? Arak'ijane koa, tsy misy mahafantatre ireo raha lalignan'Andriamanitra hafa-tsy ny Fagnahin'Andriamanitra. 12 Fa tsy nandray ny fagnahin'ijao tontolo ijao antsena, fa ny Fagnahy ijay avy amin'Andriamanitra, mba hafahantsena mahafantatra ireo raha omena antsena maimaimpôgna avy amin'Andriamanitra. 13 Mijaka mahakasika ireo raha ireo amin'ny jaka ijay tsy hain'ny fahendren'olombelogna ampenarina ahay, fa ijay ampenarin'ny Fagnahy anay. Ny Fagnahy no mandika ny teny ara-pagnahy miaraka amin'ny fahendrena ara-pagnahy. 14 Ny olo ijay tsy ara-pagnahy die tsy mandray ireo raha ijay an'ny Fagnahin'Andriamanitra, satria fahamôlàna amin'aje iregne. Tsy afa-mahalala an'iregne ijy satria famantarana ara-pagnahy iregne. 15 Ijay ara-pagnahy die mitsara ny raha abiaby, fa tsy iharan'ny fitsarana hafa ijy. 16 ''Fa ija no afa-mahalala ny fisaignan'ny Tompo, no ho afake hampianatra an'Aje?'' Fa ahay die managna ny fisaignan'i Kristy.