Toko faha 7

1 Ary mikasika ireo olagna ijay nisoratanareo momban'ny hoe: "Tsara hôn'ny lelahy ny tsy mikitike viave." 2 Nefa noho ireo fakam-pagnahy amin'ny fivetavetana maro isan-karajane, die tokone hanagna ny vadine manokagna aby ny lelahy kiraidraike, ary ny viave kiraidraike die tokone hanagna ny vadine manokagna aby. 3 Ny lelahy die tokone hagnome ireo zo ara-panambadiena hôn'ny vadine, ary hôtran'ijane koa ny viave hôn'ny vadine. 4 Tsy ny viave no managna fahefana amin'ny vatagne manokagna, fa ny vadine. Hôtran'ijane koa, tsy ny lelahy no managna fahefana amin'ny vatagne manokagna, fa ny vadine no managna. 5 Aja mifanakasakagna anareo kiraidraike, hafa-tsy amin'ny fifagnekena nifanôvana ary amin'ny fotôgna vôtokagna. Amboary ijane mba hafahanareo manokan-tegna amin'ny vavake. Avy teo die tokone hiara-hatory indraike anareo, mba tsy hafahan'ny Satana magala fagnahy anareo nohon'ny tsy fanagnanareo fifehejan-tegna. 6 Kanefa iaho die mivoria ireo raha ireo aminareo an-kalalahana fa tsy didy mihitsy. 7 Tiako ny olo abiaby hitovy amin'ahe. Fa ny kiraidraike die samby managna ny fagnomejam-pahasoavana manokagna avy amin'Andriamanitra. Ny raike managna itiky karajam-pagnomejam-pahasoavana itiky, ary ny raike hafa managna karajane hafa koa. 8 Hôn'ireo ijay tsy manambady sy ireo mpitondrategna die mijaka iaho fa tsara hôn-dreo laha mijanogna tsy manambady areo, mitovy amin'ahe. 9 Kanefa areo laha tsy afake mamehy tegna, die tokone hanambady. Satria tsara loholoho hôn-dreo ny manambady tojay ampirehetin'ny filàna ara-nofo. 10 Ary hôn'ireo ijay manambady die magnome ijao didy ijao iaho-tsy iaho, fa ny Tompo-ny viave die tsy tokone hisarake amin'ny vadine, 11 (fa laha ohatra ijy ka misarake amin'ny vadine, die tokone hijanogna tsy hanambady na koa mipody mihavana amin'ny vadine)-ary ny lelahy die tsy tokone hisarake amin'ny vadine. 12 Fa hôn'ny sisa die mivoria iaho-iaho, fa tsy ny Tompo-hoe laha misy rahalahy raike managna vady tsy mpino, ary laha mahafaly an'aje ny miara-miaigna amin'aje, die tsy tokone hisaraka amin'ny vadine ijy. 13 Laha ny viave raike no managna vady tsy mpino, ary laha mahafaly an'aje ny miara-mihinagna amin'aje, die tsy tokone hisarake amin'ny vadine ijy. 14 Satria ny lelahy tsy mpino die natokagna noho ny amin'ny vadine, ary viave tsy mpino die natokagna nohon'ny amin'ny rahalahy. Fa laha tsy ijane die ho maloto ny janakareo, nefa laha ny marina die efa vôtokagna areo. 15 Fa laha ny vady tsy kristianina no mienga, abilay ijy handeha. Amin'ny toe-draha hôtran'ijane, ny rahalahy na rahavave die tsy vôfehin'ireo voadin-dreo. Andriamanitra die nangaike antsena mba hiaigna am-pedagnana. 16 Fa amin'ny fomba akory no alalanao, ra viave, laha ho vôvonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba akory no alalanao, ra lelahy, laha ho vôvonjinao ny vadinao? 17 Fa abilay fotsine ny kiraidraike aby hiaigna ny fiaignana ijay efa nanondroan'ny Tompo an'aje, ary araka ny efa nangehan'Andriamanitra an'aje. Io ny fitsipikako ao amin'ny fengonana abiaby. 18 Efa vôfora ve ny olo raike laha nangihina mba hino? Ijy die tsy tokone hiejaka ny hisevosevo hôtran'ny tsy vôfora. Tsy vôfora vy ny olo raike laha nangihina hômin'ny finôna? Tsy tokone hifiraina ijy. 19 Satria tsy ny famorana na ny tsy famorana no raha-makadiry. Ny raha-makadiry die ny fagnarahana ireo didin'Andriamanitra. 20 Ny kiraidraike aby die tokone hijanogna amin'ny fangihana ijay nisy an'aje laha nangihin'Andriamanitra mba hino ijy. 21 Andevo ve anao fony Andriamanitra nangaike anao? Aja miahiahy ny amin'ijane. Fa laha mety ho afake anao, die ararôty ijane. 22 Satria ny olo raike ijay nangihin'ny Tompo ho andevo die olo afaky ny Tompo. Hôtran'ijane koa ny olo ijay afake tamin'ijy nangihina mba hino die andevon'i Kristy. 23 Anareo die vôvidy, noho ijane die aja avy hôtran'ireo andevon'olo. 24 Ry rahalahy, n'ino n'ino fiaignana nisy antsena kiraidraike tamin'ny antsena nangihina mba hino, die ôka antsena hijanogna ho hôtran'ijane. 25 Ary mikasika ireo ijay tsy nanambady mihitsy, iaho die managna didy avy agne amin'ny Tompo. Nefa iaho die magnome ny hevitro hôtran'ny raike ijay, amin'ny alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, die mendri-pitokisana. 26 Noho ijane, mieritreritra iaho fa nohon'ny loja ijay ho avy, die tsara hôn'ny lelahy ny mijanogna amin'ny maha ijy an'aje. 27 Vôfehy amin'ny viave ve anareo? Aja mirembe ny ho afake amin'aje. Afake amin'ny vadinao ve anao? Aja mirembe vady. Nefa laha manambady anareo, die tsy nagnota. 28 Laha ny viave tsy manambady no manambady, die tsy nagnota ijy. Nefa ireo ijay manambady die hanagna karajan'olagna rahabe laha mbola velogna, ary iaho die te hangala anareo amin'ijane. 29 Fa ijao no vorianiko, ry rahalahy: Fohike ny fotôgna. Manomboka ijao, aleo ireo ijay efa manam-bady hiaigna ho hôtran'ny tsy managna. 30 Ireo ijay mitomagny die tokone hagnano ho hôtran'ny tsy mitomagny, ireo ijay mifaly ho hôtran'ny tsy mifaly, ary ireo ijay mividy ho hôtran'ny tsy managna n'ino n'ino; 31 ary ireo ijay mampiasa ijao tontolo ijao die tsy tokone hagnano hôtran'ny mampiasa ijane tanterake. Satria ijao tontolo ijao amin'ny endrikane amin'ijao fotôgna ijao die ho avy amin'ny fefaràna. 32 Tiako anareo ho afake amin'ireo ahiahy. Ny lelahy tsy manambady die miahiahy ny amin'ireo raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hampifalena an'Aje. 33 Fa ny lelahy manambady die miahiahy ny amin'ny rahan'ijao tontolo ijao, ny amin'ny fomba hampifalena ny vadine--- 34 misarasarake ijy. Ny viave tsy manambady na virijiny die miahiahy ny amin'ny raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokagnana amin'ny tegna sy ny fagnahy. Fa ny viave manambady die miahiahy ny amin'ny rahan'ijao tontolo ijao, ny amin'ny fomba hampifalena ny vadine. 35 Vorianiko ijane hôn'ny tombotsoanareo manokagna, fa tsy hagnavela ijay abiaby sakasakagna eo aminareo. Mivoria ijane iaho noho ijay marina, amin'ijay anareo mba hanolo-tegna hôn'ny Tompo tsy misy fagnelingelegnana. 36 Nefa laha misy olo raike mihevitre fa tsy mitondra ny fofom-badine am-pagnajàna-- laha mihôtre ny taognan'ny fanambadiena ilay viave ary tsy mentsy hôtran'ijane--die tokone hagnano ijay tiane ijy. Tsy magnota ijy. Tokone hivady areo. 37 Nefa laha nikasa tsara tao am-pone ijy, laha ohatra ka tsy ambany faneritirena fa afake mifehy ny sitrapone manokagna, ary laha nanapa-kevitre tao am-pone ijy ny hagnano ijane, mba hitajognana ny fofombadine ho virijiny, die tsara ny amboarine. 38 Ka ijay manambady ny fofombadine die magnano ny tsara, ary ijay misafidy ny tsy hanambady die hagnano ny tsaratsara loholoho aja. 39 Ny viave die vofehin'ny vadine laha mbola velogna ralelahy. Fa laha maty ny vadine, die malalake tsara ijy ny hanambady ijay tiane hivadina, nefa ao amin'ny Tompo mandy. 40 Nefa amin'ny fitsarako die tokone ho faly loholoho ijy laha miaigna amin'ijao mandy. Ary hiveriko fa iaho mandy koa die managna ny Fanahin'Andriamanitra.