Toko faha 4

1 Raha nikoragna tam'reo vahôka i Petera sy Jaona, de tonga reo mpisorogna sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary reo Sadoseo. 2 Sosy mafy zareo noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahôka sy nitory ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3 Nosamborina zareo ary natao taigny am-ponja mandrapatongan'ny ampolakeka, satria efa hariva ny andro tam'zany. 4 Kanefa betsaka tam'reo ôla ze nandregny ny hafatra no nino; ary ny isan'reo leila ze nino de dimy arivo teo ho eo. 5 Ary nony amaraignan'igny de niangona tao Jerosalema ny mpanapak'zareo, zokiolona ary reo mpanora-dalàna. 6 Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona sy Aleksandro sy ze daôly havan'reo mpisoronabe. 7 Nony naroso takeo ampovôny i Petera sy jaona, de nagnontany an-jareo hoe: "Amin'ny hery ino, na amin'ny anaran'ino, no nagnanôvanareo zany?" 8 Avekeo i Petera, feno ny Fanahy Masina, de nitare an-jareo hoe: "Anao ry mpanapaka ny vahôka, sy lôholona, 9 raha nagnontanena momban'ny asa soa nataonay tamin'io leila narary io zahay tamin'io andro io - tamin'ny fomba nanakpory no nahasitrana io leila io? 10 De ôka ho fantatrareo daôly ary ry vahôkan'Israely daôly, fa tamin'ny agnaran'i Jesosy Kristy avy aigny Nazareta, ze nohombonareo, le natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty - tamin'ny alalany no itsanganan'ty leila ty salama aketo amasonareo." 11 Jesosy Kristy de vato ze nataonareo mpagnorin-tragnotsinontsinona kanefa efa natao ho lohan'ny vato fehizoro. 12 Ary tsisy famonjena avy amin'ny hafa, fa tsisy agnarana hafa ambanin'ny lagnitra namen'ny ôla ze tsy maintsy hahavonjy antsikana." 13 Ary rafa nahita ny fasahian'i Petera sy Jaona zareo, ary nahatsapa fa ôlon-tsotra, ôla tsy nandia fianarana, de gaga zareo, nafantatra fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona. 14 Satria zareo natazagna le leila ze sitrana nitsangana niaraka tamin-jareo, ka tsy nahita lazaina hanoherana zany zareo. 15 Fa rafa avy nandidy reo Apostoly handao ny fivorian'ny filan-kevitra zareo, de nifampiresaka zareo. 16 Ozy zareo hoe: "Ino no tokony ho atao am'reto leila reto? Noho ny fagagana vita tamin'ny alalan-jareo de fantatr'reo ôla daôly mipetraka aketo Jerosalema, ary tsy azontsika lavina. 17 Fa mbô tsy hiparitahan'zany amin'ny vahôka kosa, de ndao tsikana hampitandrina an-jareo mbô tsy hitenenan-jareo zany agnarana zany tsony. 18 Nantsoviny hiditra i Petera sy Jaona ary notenenin-jareo tsy hitare sy tsy hampianatra amin'ny agnaran'i Jesosy tsony. 19 Kanefa namaly an-jareo kosa i Petera sy Jaona nitare hoe: "Raha marina akeo amason'Andriamanitra ny manaiky an'nareo mihôtra an'Azy, de anareo no mitsara. 20 Tsy afaka ny hijanona tsy hitare momba reo ra hitanay sy renay zahay." 21 Tafaran'ny fampitandremana an'i Petera sy Jaona, de navelany nande zareo. Fa tsy nahita fomba hanasazina an-jareo zareo, satria nidera an'Andriamanitra reo vahôka noho ny zava-bitany. 22 Le leila ze niaigna ny fagagana sy fagnasitranana de nihôtra ny efapolo taona. 23 Tafaran'ny nanafahana an-jareo, de tonga takeo amin'ny vahôkany i Petera sy Jaona ary notateriny an-jareo ze daôly notenenin'reo lôhan'ny mpisorogna sy reo lôholona tamin-jareo. 24 Rafa regnin-jareo zany, de niara-nanandratra ny feon-jareo ho an'Andriamanitra zareo ka nitareo hoe: "Tompo, Anao no nagnano ny lagnitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary ze daôly akao aminy. 25 Nitare tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny raintsika Davida Ianao hoe: 'Nagnino no sosy reo firenena Jentilisa, sy reo ôla mieritreritra ra tsisy dikany?" 26 Anareo mitare hoe: Reo mpanjakan'ny tany de nitambatra, ary reo mpanapaka de nivondrogna hanohitra ny Tompo, sy hagnohitra ny Tompo, sy hagnohitra ny Kristiny.' 27 F'efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, ze niaraka tam'reo jentilisa sy reo vahôkan'Israely, no niara-niangona takao an-tanàna hanohitra an'i Jesosy mpanomponareo, ze nohosoranareo. 28 Niara-nivory zareo mbô hagnano ze daôly nataon'ny tananareo sy reo drafitrareo ze efa notapahin-jareo ho atao melô. 29 Am'zao, Tompo, jereo reo fampitandreman-jareo ary omeo reo mpanomponao mbô hitenenany ny teninao an-kasahiana tanteraka. 30 Ahinjiro ny tananao mbô hagnasitrana, ary hagnomereo famantarana sy fagagana amin'ny alalan'ny agnaran'i Jesosy mpanomponao masina." 31 Rafa avy nivavaka zareo, de nihozongozona ny tôrana ze niarahan-jareo nivory, ary feno ny Fanahy Masina izy daôly ary nilaza ny tenin'Andriamanitra an-kasahiana. 32 Ny ankabeazan'reo ze nino de fo sy fagnahy raika. Tsisy nitareo fa ny ra ze azony de an'azy manokana, fa ra niarahan-jareo managna. 33 Niaraka tamin'ny hery lehibe no nagnambaran'ny Apostoly ny fijoroan-jareo vavolombelona momba ny fitsanganan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana gedabe no takeo amin'izy daôly. 34 Tsisy ôla nanan-java maha-ory takeo amin-jareo, fe ze daôly nanagna tany na tragno de nivarotra ary nitondra ny volan'ny ra daôly ze lafo. 35 Ary napetraka takeo an-tongotr'reo Apostoly, ary nozaraina tamn'ôla tsiraikaraika arak'ze ilain-jareo. 36 Josefa, Levita raika, leila avy akaigny Sipra ze nantsovin'reo Apostoly hoe Barnabasy (ze midika hoe zanaka lahin'ny fampaherezana), 37 nivarotra tany sy nitondra vola ary nametraka an'zany teo an-tongotr'reo Apostoly.