Toko faha 3

1 Ary Petera sy i Jaona niakatra taigny an-tempoly tamin'ny fotôna fivavahana, ny ora fasivy. 2 Ary nisy raika nalemy hataigny ankibon-dreniny nentina isan'andro teo amin'ny vavahady tsara endriky ny tempoly, mba hangataka fagnomezana ara-bola aigny am'reo ôla ze mankaigny an-tempoly. 3 Rafa natazagna an'i Petera sy i Jaona ze hande hiditra ny tempoly de nangataka fagnomezana ara-bola tamin-jareo izy. 4 Nibanjina ny masony niaraka tam'i Jaona i Petera de nitare hoe: "Tazagno izahay." 5 Le leila malemy nijery an'jareo, nagnantena ny handray ra avy aigny am-jareo. 6 Nefa i Petera nitare hoe: "Volafotsy sy volamena no tsy anagnako, fa ze anagnako no hameko an'nao. Amin'ny agnaran'i Jesosy kristy avy aigny Nazareta, mandeana." 7 Nandray an'azy tamin'ny tagnana ankavanana i Petera ka nanangana an'azy, ary avy hatraigny de lasa natanjaka ny tongotry le leila sy ny kitrokeliny. 8 Nitsabikina le leila nalemy de nitsangana ka nanomboka nande; ary niara-niditra tamin'i Petera sy Jaona takao an-tempoly izy, nande nitsambikina ary nidera an'Andriamanitra. 9 Ny ôla daôly de natazagna an'azy nande sy nidera an'Andriamanitra. 10 Tsikaritry zareo fa izy le leila nangataka fagnomezana ara-bola tamin'ôla teo am'le vavahady taran'ny Tempoly; ary tegna gaga sy talanjogna zareo nony ra nitranga tamin'azy. 11 Ary noho izy nitana an'i Petera sy Jaona, de nitorotra ny ôla daôly nankaigny amin-jareo taigny amin'ny fialofana ze nantsovina hoe: fialofan'i Solomona, ary tegna talanjogna. 12 Rafa natazagna an'zany i Petera de namaly ny ôla hoe: "Anareo ry vahôkan'Israely, nagnino no talanjogna anareo? Nagnino ny masonareo no mandinika an'nay, ôtran'ny hoe herinay na fahamasinanay manokana no nampande an'azy? 13 Ny Andriamanitry Abrahama, sy an'i Isaka sy an'i Jakoba, le Andriamanitry ny raintsika, no nagnome voninahitra an'i Jesosy mpanompony. Izy le natolotrareo sy nolavinareo teo agnolon'i Pilato, tamin'izy nanapakevitra handefa an'azy. 14 Nolavinareo le raika ze Masina sy Marina ary naleonareo nangataka le mpamono ôla mba alefa ho an'nareo. 15 Novonoinareo ny mpagnorina ny fiaignana, nefa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty - ary vavolombelon'zany zahay. 16 Am'zao fotôna zao noho ny finona ny agnarany le leila ze hitanareo sy fantatrareo, igny agnarana igny ihany no nahatonga an'azy matanjaka. Ny finona avy amin'i Jesosy no nagnome izao fagnasitragnana feno ho an'azy aketo agnatrihanareo daôly zao. 17 Am'zao fotôna zao, ry rahala, fantatro fa nagnano an'zany anareo noho ny tsy fafataranareo, salan'ny nataon'reo mpitondra an'nareo kô. 18 Fa reo ra ze vôlazan'Andriamanitra mialô tamin'ny vavan'reo mpaminagny daôly, tokony hijaly ny Kristiny, ary efa tanteraka am'zao zany. 19 Mibebaha, noho zany, ary miveregna, mba ho vonoana ny fahotanareo, mba ho velombelona akeo agnatrehan'ny Tompo anareo amin'ny fotôna; 20 Ary andefa an'i Kristy ze vôtendry ho anao izy, de Jesosy. 21 Izy le tsy maintsy ho raisin'ny Lagnitra ambara-patongavan'ny ora fameregnana amin'ny laoniny ny ra daôly, momba ze nolazain'Andriamanitra fahiny tamin'ny vavan'ny mpaminagny masina. 22 Nitare takô i Mosesy hoe: "Ny Tompo Andriamanitra de hanangana mpaminagny ôtran'anà avy am'reo rahalanareo. Anareo hareigny ny ra daôly ze ho lazainy aminareo. 23 Hitranga ny hoe: ze ôla daôly tsy mitaino izany mpaminagny zany de haringana tanteraka tsy ho aketo amin'ôla." 24 Eny, ary reo mpaminagny daôly nanomboka tamin'i Samoela sy reo ze tonga tafarany, de nitare sy nagnambara reo andro reo. 25 Anareono zanak'reo mpaminagny sy ny fanekena ze nataon'Andriamanitra tam'reo razambe, araka ny nolazainy tamin'i Abrahama hoe: "Akao amin'ny taranakao no hotahiana reo fianakavena daôly eran-tany." 26 Tafaran'ny nananganan'Andrimanitra ny mpanompony, de nandefa an'azy ho anareo alô izy, mba hitahy anareo amin'ny fialanareo amin'ny faratsianareo.