Toko faha 5

1 Fa nisy leila raika antsovina hoe: Ananiasy niaraka niaraka tamin'i Safira, nivarotra anjara tany, 2 ary nasitrigny ny sasagny tam'reo volo vidiny (ny vadiny ihany kô de nahay an'zany), ary nitondra ny ampahany tam'zany ary nametraka azy teo an-tongotr'reo apostoly. 3 Fa Petera niteny hoe: "Ananiasy, nagnino no Satana no nameno lainga ny fonao ka nandainga amin'ny Fanahy Masina, ka nanitrika ny ampahany tam'le vidin-tany? 4 Raha mbola tsy lafo zany, tsy nijanona ho fanagnana manokana ma zany, rafa lafo zany ka tsy ze tenao agnanôvana an'azy? Manakôry ny nieritreretanao an'zany ra zany tao am-ponao? Tsy nandainga tamin'ôla enao, fa tamin'Andriamanitr. 5 Nony nareigny an'reo teny reo, de lavo tamin'ny tany Ananiasy ka afaka ny aignany, ary tahotra mafy no tonga tam'ze daôly nareigny an'zany. 6 Ary niditra reo gaogna ka mamogny lamba an'azy, ka nentin-jareo nivôka izy ary nalevigna. 7 Adin'ny telo teo eo tafaran'zay, de niditra ny vadiny, mbola tsy nafatatra ze ra nitranga. 8 Petera niteny tam'azy hoe: "Lazao anà raha zany no nandafosanareo an'le tany." De ozy izy: enika izay ihany ." 9 Avy teo Petera niteny an'azy hoe: "Nagnino anareo no nagneky hiara-hitsapa ny Fagnan'ny Tompo? Io reo ny tongotr'reo ôla ze nandevigna ny vadinao de akeo am-baravaragna, ary hamôka an'nao zareo. 10 ary lavo teo amin'ny tongony izy ary afaka ny aignany. Rafa niditra tao reo gaogna de nahita an'azy maty, ka nitondra an'azy nivoka sy nandevigna an'azy teo agnilan'ny vadiny. 11 Natatra mafy ny fengonana manontolo sy reo ze nareigny an'zany ra zany. 12 Famatarana ny Fagagana maro no nibôgna tam'reo vahôka tamin'ny alalan'reo apostoly. Niaraka teo amin'ny fialofan'i Salomona zareo. 13 Fa tsisy ôla hafa nagnana fasahina hiaraka amin'jareo, kanefa ny vahôka de nanandratra fankasitran feno an'jareo. 14 Ary vao maika niha-betsaka reo mpino ze nagnampy isa ny Tompo, andian-deila sy vevavy. 15 Ka nentin'jareo taigny an-dalana hatramin'ny marary ka nampandren-jareo teo fandrena sy farafara, ka rafa mba mandalo Petera, de mety mba hagnaloka ny sasagny am'jareo ny talinjogny. 16 Teo ihany kô de maro ny vahôka no niara-tonga avy am'reo tanàna magnodidigna an'i Jerosalema, nitondra ny marary sy reo ze nampijalen'ny fagna maloto, ary de sitrana izy daôly. 17 Fa nitsangana ny mpisorogna be, sy reo ze niaraka tamin'azy ( ze antokon'reo Sadoseo); ary de feno felonana zareo 18 ary nisambotra an-keriny reo apostoly, ary nampiditra an'azy reo tao an-dragnomaizigna. 19 Ary nakeka andro de nisy anjelin'ny Tompo nanokatra ny varavaran'ny tragno maizigna ary namôka an-jareo tao sy niteny hoe: 20 Mandiana, mitsangana akao amin'ny Tempoly ary mitarava amin'reo ôla ny teny am'ty fiaignana ty. 21 Rafa nareigny an'zany zareo, de nidritra tao amin'ny tempoly zareo ra vô keka ny andro ka nampianatra. Fa tonga ny mpisorogna be, sy reo ze niaraka tamin'azy, namory reo fitsarana daôly, reo loholon'reo vahôkan'Israely, ary nalefa tao an-dragno maizigna mba hamôaka reo apostoly. 22 Fa nony tonga le mpiambina de tsy natazagna an'azy reo tao am-ponja, ka niverigna zareo ary niteny hoe: 23 "Natazagna ny fonja mihidy tsara zahay ary ny mpiambina de mitsangana miambina teo am-baravaragna, fa rafa nosokafinay zany, de tsy nahita ôla tao agnatiny zahay." 24 Ary rafa nareigny an'zany ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy reo mpisorogna be, de very hevitra tanteraka zareo nakasika ny ra mety hitranga. 25 Fa nisy ôla tonga ary niteny tamin'jareo nagnano hoe: "Reo leila ze nataonareo tao an-trano maizina de mitsangana akao amin'ny tempoly ary mampianatra ny vahôka." 26 Ary lasana ny leibein'ny mpiambina niaraka tamin'ireo mpiambina, ary nitondra an'azy reo niverigna, tamim-pilaminana, satria natatra ny vahôka zareo saode torany vato. 27 Rafa nitaondra an'azy reo zareo, de nandefa an'azy reo teo agnatrehan'ny fitsarana. Nagnadihady an'azy reo ny mpisorogna be, 28 niteny hoe: Noferanay mafy anareo mba tsy hampianatra an'io agnarana io, kanefa nofenonareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tenareo ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'io leila io zahay." 29 Fa i Petera sy reo apostoly namaly hoe: "Zahay de tokony hagneky an'Andriamanitra non'ny ôla. 30 Ny Andriamanitrin'ny razagnay nanangana an'i jesosy, ze novonoinareo tamin'ny fagnantognana an'Azy teo amin'ny kakazo. 31 Andriamanitra nanandratra an'Azy teo amin'ny tagnana an-kavanana mba ho Tompo sy Mpamonjy, mba hagnome fibebana ho an'Israely, sy famelan-keloka. 32 Zahay de vavolombelona ny amin'zany ra zany, ary kô ny Fanahy Masina, ze namen'Andriamanitra ho an'ireo magneky an'Azy." 33 Raha nareigny zany reo tao amin'ny fitsarana de sosy zareo ary nitady hamono reo apostoly. 34 Fa nisy Fariseo raika atao hoe: Gamaliela, mpampianatra lalàna, ze najain'ny ôla daôly, nitsangana ary nagnome baiko mba havôka kely aigny avelagny reo apostoly. 35 Ary izy niteny tam-jareo hoe: "Leila Israely, tamdremo tsara ny amin'ny ra ze atanonareo miaraka am'reo ôla reo. 36 Fa taigny alôha taigny. Teodasy nilaza ny tegnany ho ra, ary vondron'ôla, tokony ho efa-jato, nagnaraka an'azy. Novonoina izy, ary reo ze nagneky an'azy de niparitaka ary tonga tsinontinona. 37 Avy teo io leila io, Jodasy avy aigny Galilia de nitsangana tamin'ny andron'ny fagnisana ary nitôna ôla betsaka hagnaraka an'azy. Izy ihay kô de novonona ary reo ze nagneky an'azy de niparitaka. 38 Ary am'zao de lazaiko aminareo, magnalavira an'reo leila reo ary avelao zareo fa raha avy amin'ôla io drafitra na io asa io, de ho fôgna zany. 39 Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, de tsy ho azonareo foagnana zany ary ho avy aminareo fa miady amin'Andriamanitra nareo." De resy lahatra zareo. 40 Ary nagnantso an'reo apostoly hiditra zareo ary nikaroka ny nandidy an'azy reo tsy hiteny amin'ny agnaran'i Jesosy, ary namela an'azy reo hande. 41 Izy reo de nandao ny fitsarana ampifaliana satria mendrika hitondra fafam-baraka ho an'le agnarana. 42 Tafaran'zay zareo, de tsy nijanona nampiantra sy nitory an'i Jesosy Kristy isan'andro, teo ankianjan'ny tempoly sy tamin'ny toka-tragno maro.