1
Majaka Yaveh; aoka ny tany hifaly; aoka ny moron-tsiraka be ho ravo.
2
Rahogna sy ezigna ro magnodidigna Anazy. Fahamarinana sy rariny ro fiorenan'ny seza fiandrianany.
3
Afo ro mandalo eo alohany ko de mandevogna reo mpifagnandrigna aminazy amin'ny lafiny aby manotolo.
4
Ny tselatsany magnazava an'izao tontolo zao; hitan'ny tany zay ko de mihorohoro.
5
Miepo sahalamin'ny savoka eo agnatrehan'in Yaveh, zay Tompon'ny tany manontolo, reo tendrombohitsa.
6
Mitarogna ny fahamarinany reo habakabaka, sady mahita ny voninahiny ny firenena aby manontolo.
7
Ho megnatsa ze manompo ny sarin-draha voasikotsa, ze mirehareha amin'ny sampy tsa misy dikany; miankohofa eo amin'i Yaveh, agnareo ra andriamagnitsa aby manontolo!
8
Nandre Ziona ko de faly. Sady nifaly ny tanĂ nan'i Joda noho ny didinao marina, Yaveh o.
9
Fa agnao, Yaveh o, ro avo indrindra ambonin'ny tany aby manontolo. Asandratsa avo indrindra ambonin'ni andriamagnitsa aby Agnao.
10
Agnao ze te an'i Yaveh, mankahala ny ratsy! Miaro ny ain'ny onany masina I, magnalaka anazy tsa ho eo an-tagnan'ny rasty fagnahy.
11
Nafafy tamin'ny marina ny fahazavana ary ny fifaliana ho an'ny ze mahintsy fo.
12
Miteza hifaly ao amin'i Yaveh, agnareo ona marina; sady manolora fisaorana sy mahatsiaro ny fahamasinany agnareo.