Toko faha 98

1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, fa nanao raha mahazendagna I; nagnome fandresena Anazy ny tagnany ankavagnana sy ny sandriny masina. 2 Nampahafantatsa ny famonjeny Yaveh; nagnatoro ampahibemaso ny fahamarinany tamin'ireo firenena aby manotolo reo I. 3 Tsiaroany ny tsy fivadiham-pagnikeny sy ny fagnikena mahatoky ho an'ny taranak'Israely I; hahita ny fandresen'Andriamagnitsika ny vazan-tany manotolo. 4 Mihobia ho an'i Yaveh, ra tany manotolo; vilomy ny hoby; mihirà amim-kafaleana, ko mihirà fiderana. 5 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh amin'ny harpa, amin'ny valiha sy hira mahafinaritsa. 6 Amin'ny trompetra sy ny feon'ny anjomara, manaova hiakam-pifaliana eo agnatrehan'ny Mpanjaka, de i Yaveh. 7 Aoka hikoka ny ranomasina sy ze ao aminazy ao; zao tontolo zao sy ny monigna ao! 8 Aoka reo renirano hiteha-tagnana, ary aoka reo tendrombohitsa hikoka fifaliana. 9 Avy hitsara ny tany Yaveh; hitsara zao tontolo zao amin'ny fahamarinana I ary ny firenena amin'ny hitsiny.