Toko faha 96

1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, mihirà ho an'i Yaveh, ry tany aby manotolo. 2 Mihirà ho an'i Yaveh, misaora ny Agnarany; tarògno sanandro sanandro ny famonjeny. 3 Tarògno Amin'reo firenena ny voninahiny, ny asany mahazendagna amin'reo firenena aby manotolo. 4 Fa lihihe Yaveh ko tokony ho deraina ndrindra. Tokony atahorana ambonin'ny andriamagni-kafa aby manotolo I. 5 Fa sampy aby reo andriamagnitsy ny firenena aby, fa Yaveh ro nanao ny lagnitsa. 6 Famirapiratana sy voninahitsa ro eo amin'ny fagnatrehany. Hery sy fhasoavana ro ao amin'ny fitoerany masina. 7 Miderà an'i Yaveh, agnareo vahoaka, miderà an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny. 8 Omeo ny voninahitsa mendrika ny agnarany Yaveh. Mitondrà fagnatitsa de miavia ao an-kianjany. 9 Miankohofa eo amin'i Yaveh amin'ny fiakanjoana magnome voninahitsa ny fahamasinany. Mangovita eo agnatrehany, ra tany manotolo o. 10 Mitarogna amin'reo firenena hoa:" Manjaka Yaveh." Voaorigna hiany koa zao tontolo zao; tsa ho voahozongozogna zao. Mitsara ara-drariny reo ona I. 11 Aoka ho faly ny agny an-dagnitsa, sadyb aoka hiravoravo ny tany ; Aoka hierogna ny ranomasina sady hikoka an-kafalena n ze mameno anzay. 12 Mifalia ny saha sy ze ao aminazy ao aby. De aoka hikoka ami-kafaleana 13 eo agnatrehan'i Yaveh ny hazo agny agnaty ala, fa avy I. Avy mba hitsara izao tontolo zao amin'ny fahamarinana I ary ny ona amin'ny fahatokiany.