Toko faha 90

1 Tompo o, efa fialofanay sy ny taranakay aby Agnao. 2 Talohan'ny niosian'ny tendrombohitsa, ary nahary ny tany sy zao tontolo zao Agnao, hatamizay ko ho mandrakizay, Agnao ro ANdriamagnitsa. 3 Nampody ho vovon-tany ny ona Agnao, de hoy Agnao hoe: :Mipodiana, agnao ra taranak'olombelogna." 4 Fa ny arivo taogna eo imasonao de salamin'ny omaly sy roso, de fotoagna salamin'ny fiambenana amin'ny aligna. 5 Noferinao tahaka ny riaka reo de nandry( natory); amin'ny maraigna de salamin'ny ahitsa mitsiry reo. 6 Sy maraigna de mamogny zay de mitsiry; amin'ny hariva de malazo zay de maigna. 7 Marina tokoa fa levogna amin'ny fahasiahanao agnay, ery amin'ny fahatizeranao ro maha-reki-tahotsa anay. 8 Efa nametraka ny helokay teo alohanao Agnao, reo fahotanay misitrika teo amin'ny fahazavan'ny fagnatrehanao 9 Ny fiaignanay de dify ao ambany fahatizeranao; ny fiaignanay de mandalo malaky salamin'ny sento. 10 Fitopolo, na valopolo taogna agnay lehe salama; feny ny taognanay soa ndrindra aza de voamariky ny fahoriana sy alahelo. Eka, mandalo miridiridy agnay. 11 Ia ro mahalala ny hamafin'ny fahasorenanao, sy ny fahasiahanao zey manahaka ny fahatahorana Anao? 12 Ko de ampianaro agnay mba hahafahanay miaigna amim-pahindrena. 13 Mipodiana, Yaveh o! Sy viana ? mamindrĂ  fo amin'ny mpanomponao. 14 Meo fahafaham-po amin'ny famindram-ponao agnay amin'ny maraigna mba hiravoravoanay de ho faly amin'ny andronay aby agnay. 15 Ampifaleo agnao arakaraky ny andro nampahorianao anay sy ny taogna niaignanay tagnaty fahoriana. 16 Apitraho mba hahita ny asano reo mpannomponao, eko ny zanakao hahita ny voninahitsao. 17 Ze sitraky ny Tompo Andriamagnitsay anie ho aminay; ambino ny asan'ny tagnanay; ambino tokoa roa ny asan'ny tagnanay.