Toko faha 91

1 Zey mitoatsa eo ambany fiaofan'ny Avo Indrindra de hitoatsa eo amin'ny aloky ny Tsitoha. 2 Hilaza ny amin'i Yaveh aho hoe: "I ro fialofako sy fiarovako ,Andriamagnitso, zey hitokiako." 3 Fa I ro hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'nmy areti-mandoza mahafaty. 4 Hanafotsa anao amin'ny elany I , ery ao ambany elany ro hahitanao fialofana. Ny fahatokiany de ho ampinga sy fiarovana. 5 Tsa hatahotsa ny horohoro ny aligna agnao, leko ny tsipika mitsidigna amin'ny andro, 6 leko ny loza mihaodihaody amin'ny migna [maizigna],leko ny aretina avy sy toandro. 7 Leko arivo roo ho lavo eo agnilanao eko iray aligna eo amin'ny tagnanao ankavagnana, feny tsa hahatratsa anao zay. 8 Fa handinika sy hizaha ny sazin'ny ratsy fagnahy fotsiny Agnao. 9 Fa Yaveh ro fialofako! Ataovy fialofana hiany koa ny Avo indrindra. 10 Tsa hisy ratsy hahazok anao; tsa hisy fahoriana handriny ny fonegnanao. 11 Fa hitarika ny anjeliny I mba hiaro anao, hiambigna anao aby amin'ze lalanao. 12 Hanandratsa anao amin'ny tagnany reo mba tsa ho voan'ny vato ny tongotsa. 13 Hanorotoro ny liona sy reo menaragna ambany tongotsao; hagnitsaka reo liona tanora sy bibilava agnao. 14 Satria efa nanolo-tegna ho Anahy i, de hamonjy anazy Aho. Hiaro anazy Aho satria tsa mivadika aminahy i. 15 Sy mangaika Anahy i, de ho valeko. Hombako i amin'ny fahoriana; hagnome fandresena anazy Iaho sady hagnome voninahitsa anazy. 16 Hagnome fahafaham-po anazy amin'ny fiaignany Aho sady hatoroko anazy ny famonjeko.