Toko faha 9

1 Ho an'ny mpiventy hira,natao tamin'ny fomban'ny Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hisaotsa an'i Yaveh amin'ny foko manotolo iaho; hagnambara ny asanao mahazendagna aby iaho. 2 Hifaly sy handihy ao aminao, hihira fiderana ho an'ny agnaranao iaho, ry Avo indrindra! 3 Sy mihemotsa ny fahavaloko, de ho totoitsa sy ho maty marìny Anao reo. 4 Fa efa niaro ny rariny agnao; mitoatsa eo amin'ny seza fiandriagnanao agnao, ry mpitsara marigna! 5 Efa nasiaka reo firenena Agnao; efa nandrodagna ny ratsy fagnahy Agnao. Efa vinononao mandrakizay doria ny agnarandreo. 6 Toa salany faharavana reo fahavalo sy nandringagna ny tananan-dreo Agnao. Nanjavogna ny fahatsiarovandreo an'azy aby. 7 Fa mitoatsa mandrakizay Yaveh; Efa nametraka ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsiana I. 8 Hitsara ny tany amin'ny fahamarionana I, eko hampihatra ny fitsarana ho an'i firenena amin'ny rariny i. 9 Ho fiarovana mahery ihiany koa i Yaveh, ho fiarovana mafy ho amin'ny fotoan-tsarotsa. 10 Ze mahalala ny agnaranao de matoky Anao, fa Agnao ,ry Yaveh, tsa mba mamela ze mitadia Anao. 11 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, i ro manapaka ao Ziona; lazao amireo firenena ny raha vitany. 12 Fa Andriamagnitsa ze mamaly ny fandatsahan-drà de mahatadidy; tsa magnadigno ny fitaraiugnan'ireo ory I. 13 Mamindrà fo aminahy, Yaveh ; jireo ny fampijaliany ze tsa te anahy. Agnao zey afaka misitogna anahy ambavahadin'ny fahafatesana. 14 Endriaho, te hilaza ny fiderana Anao aby iaho. Eo ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona ro hifaliako amin'ny famonjena! 15 Niletika tagnatin'ny lavaka nataondreo ny firenena tratsa tao amin'ny harato ze nasitrin-dreo ny tongony. 16 Nampahafantatsa ny tegnany Yaveh; napihatsa fitsarana I; voafandrika tamin'ny nataony hiany reo ratsy fagnahy. Sela. 17 Nomen-damosigna ny ratsy fagnahy de nalefa tagny amin'ny fianan-tsy hita, de ny anjaran'ny firenena ze magnadigno an'Andriamagnitsa. 18 Fa reo misotry de tsa ho adigno mahintsy, ny fagnatignan'ny ory koa de tsa ho very mandrakizay. 19 Mitsangana, ra Yaveh o, aza avela handresy Anao ny ona; apitraho reo firenena ho tsaraina eo imasonao. 20 Ampitahoro reo, Yaveh; apitraho ho fatatsy ny firenena manotolo fa ona hiany reo. Sela