Toko faha 8

1 Ho an'ny mpiventy hira , natao tamin'ny fomban'i Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Yaveh Andriamagnitsay, endriaho ny hasoan'ny agnaranao eo amin'ny tany aby manotolo, Agnao ze manoro ny voninahitsao egny amin'ny lagnitsa ambony. 2 Hatamin'ny vavan'ny anazaza sy ny kilonga ro efa namorognanao fiderana noho ny amin'reo fahavalonao, mba hampingina ny fahavalo sy ny mpamaly faty 3 Lehe miandrandra ny lagnitsa iaho, zey nataon'ny ratsan-tagnanao, ny volagna sy reo kitagna, ze natoatsanao tamin'ny toerany, 4 ina moa ny ona ro ahatsiarovanao anazy,na nyn olombelogna ro hirarahianao an-dreo? 5 Nefa nataonao ambany kely noho ny raha managn'aigna eka agny an-dagnitsa reo eko nampisatrohanao voninahitsa sy haja. 6 Ataonao mpanapaka eo amin'ny asa-tagnanao i; nataonao eo ambany tongony ny raha aby: 7 ny ondry aman'osy sy ny omby, eko zay biby aby amin'ny saha, 8 reo vorgna egny amin'ny habakabaka, sy reo trondro agny an-dranomasina, ny raha aby ze mandalo eo amin'ny lalan-dranomasina.