Toko faha 7

1 Mozika norognin'i Davida, zey nohirainy ho an'i Yaveh mahakasika reo taron'i Kosa lay Benjamita. Yaveh Andriamagnitsa o, mialoka Aminao aho! Afaho amireo ze magnenjika anahy iaho, ery vonjeo. 2 Lehe tsa zay, hoviravirain-dreo sahalamin'ny liona aho,triariny tsa misy ona afaka hitondra fiarovana ho anahy. 3 Yaveh Andriamagnitsa o, tsa vona nanao ze dinazan'ny fahavaloko ho nataoko mihintsy iaho; tsa misy tsa fahamarinana eo amin'ny tagnako. 4 Tsa vona nanao ratsy tamin'ia n'ia soa taminahy fihavanana taminahy iaho, na nagnisy ratsy ze nanohitsa anahy amin'ny tsa misy antony. 5 Lehe tsa milaza iaho de oka ny fahavaloko handoditsa ny aiko ery hanambotsa an'zay; oka i handia ny vatako vona velogna amin'ny tany eko hapandry ny voninahitso amin'ny vovoka. Sela 6 Mitsangana, Yaveh , amin'ny fahasiahanao; mitsangana alohan'ny fahasosoran'reo fahavaloko; mifohaza hagnampy anahy sy hagnatanteraka ny didy marina ze efa nandidianao ho an-dreo. 7 Mibotry magnodidigna anao reo firenena; alao ndraika ny toeranao marina eo amin-dreo. 8 Yaveh, tsarao reo firenena; hamarino aho, Yaveh, satria marina sy tsa manan-tsigny aho, ry Avo indrindra. 9 Oka hifaragna ny asa ratsin'ny ratsy fagnahy. Fa apitraho reo ona marina, RY Andriamagnitsa marina, ze mandinika ny fo sy ny eritseritsa. 10 Hatamin'Andriamagnitsa ny ampingako, ny tokagna ze namonjy ny mahintsy am-po. 11 Mpitsara marina Andriamagnitsa, de ly Andriamagnitsa masiaka isan'andro. 12 Lehe tsa mibebaka ny ona raika, handragnitsa ny sabany Andriamagnitsa ery hagnomagna ny tsaip[ikany ho amin'ny ady. 13 Magnomagna ny fampiasana reo fiataovam-piadiana hanoherana anazy I; ataonay meledaleda reo zana-tsipikany voalambolambo. 14 Saigno ny momban'ny betrokan'ny faharatsiana, ze manao tetika handravana, ze miteraka lenga hampidi-doza. 15 Mandavaka fatsakana i ery magnalalaka an'zay ery trotraka ao amin'ny lavaka ze nataony i. 16 Mipody ao an-dohany hiany reo fikasany hanimba, satria ny herisetrany de mikororoka ao an-dohany hiany.