Toko faha 6

1 Ho an'ny mpiventy hira; amin'ny lokanga, natao tamin'ny fomban'ny Al-shashemith. Salamo nataon'i Davida. Yaveh, azamasiaka anahy amin,ny fahasiahanao na magnafay anahy amin'ny fahavigniranao. 2 Mamindra fo aminahy, Yaveh, fa osa aho; sitragno aho, Yaveh, fa mangovitsa ny taolako. 3 Tena ory hiany koa ny fagnahiko. Feny Agnao, Yaveh o, mandra-pahoviana ro hitohizsan'zay? 4 Mipodiana, Yaveh o! vonjeo aho. Vonjeo nohon'ny famindram-ponao! 5 Fa tsa misy fahatsiarovana Anao agny amin'ny fahafatesana. Ia hisaotsa Anao agny amin'ny fiainan-tsa hita? 6 Rokaka ny misento aho. Kotsan-dranomaso ny fandriako isak'aligna; manasa ny fandriako amin'ny ranomasoko iaho. 7 Lanin'alahelo ny masoko; avy de tsa manan-kery reo nohon'ny ataon' reo fahavaloko aby reo. 8 MialĂ  aminahy, agnareo aby mpanao ratsy ;fa Yaveh efa nahare ny ny feon'ny fitomagniako. 9 Efa nahare ny kaikako ho amin'ny famindram-po i Yaveh; Efa nandray ny vavakako i Yaveh. 10 Ho megnatsa sy hikorotagna tanteraka aby manotolo ny fahavaloko.