Toko faha 5

1 Ho an'ny mpiventy hira; miaraka amin'ny raha magneno tsofina. Salamo nataon'i Davida. Taino ny kaikako Aminao, ra Yaveh; hivero reo fitaraignako. 2 Taino ny kaikako, ra Mpanjaka sy Andriamagnotso, fa Aminao aho ro mivavaka. 3 Yaveh o, mandre ny taraignako Agnao amin'ny maraigna, mitondra ny fiangaviako aminao iaho amin'ny maraigna ary miandry magnategna. 4 Andriamagnitsa tsa makato nraha ratsy Agnao, tsa mba ho vahininao reo ona ratsy. 5 Ny mpiavognavogna de tsa hitsangagna eo amin'ny fagnatrehanao; tsa tea an'ze managna fitondran-tegna ratsy Agnao. 6 Hamotika reo mpivandy Agnao; Yaveh de tsa tea ny ona maditsa sy mpamitaka. 7 Fa lehe ny aminahy, nohon'ny halehiben'ny fagnikenao mahatoky, de ho avy ao an-dragnonao Aho; amim-pagnajana ro hiankohofako magnandreha ny tempolinao masina. 8 Tompoko ,tariho amin'ny fahamarignanao noho reo fahavaloko ; apahitsio eo agnatrehako ny lalanao. 9 Fa tsa misy fahamarignana ny eo am-bavan'reo ;ratsy ny agnatiny ratsy, fasagna mivoha ny tendan-dreo; malemy amin'ny lelany reo. 10 Lazao ho meloka reo, Andriamagnitsa o; oka ho fienjehany ze teti-dratsy ataon-dreo! Ampiengao reo noho ny fandikan-dalan'ny maro,satria nanohitsa Anao. 11 F'aoka hifaly aby ze mialoka Aminao; aoka reo hikiaka am-pifaleana hiany satria Agnao ro miaro an-dreo; Aoka hiravoravo aminao reo , de reo ze tea ny Agnaranao. 12 Hitahy ny marina Agnao, Yaveh; fankasitrahana ro ataonao magnodidigna an-dreo sahalamin'ny ampinga lihibe.