Toko faha 4

1 v 1 ho an'ny mpiventy hira; amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Davida.Valio aho sy mangaika, ry Andriamagnisin'ny fahamarignako; omeo efi-tragno sy trotraka an-katirena.Mamindra fo aminahy eko tainò ny fivavako. 2 Raona, mandra-pahoviana agnareo ro hagnova ny voninahitso ho fahafaha-baraka? Mandra-pahoviana agnareo ro ho tea raha foagna sy mitadia vandy?Sela. 3 Fa fataro fa Yaveh magnavaka ny masina hoan'ny tegnany. Handre Yaveh lehe mangaika Anazy iaho. 4 Mangovita amin-tahotsa, f'aza manota! dinidiniho ao am-ponareo eo am-pandrena eko aoka hangina.Sela 5 Atoloro reo soran'ny fahamarignana eko apitraho amin'i Yaveh ny fahatokianao. 6 Be ro mitarogna hoe:"Ia ro mba hagnatoro raha soa? Yaveh ô. Atsangano aminay ny fahazavan'ny tarehinao. 7 Agnao ro efa nagnome ny foko hafaleana mihoatsa nohon'ny an'ny hafa aby mitobaka ny varin-dreo sy ny divainy vaovao. 8 Ampiadagnana ro handreko sy hatoriako satria agnao rery, Yaveh, ro mahatonga anahy hitoatsa tsa managna ahiahy.