Toko faha 3

1 Salamo nataon'ny Davida, sy nilefa an' i Absaloma zanany i.Ry Yaveh,firy reo fahavaloko! Be ro mitsangagna nanohitsa anahy. 2 Be ro mitarogna momba anahy hoe:"Tsa misy fagnampiana ho anazy hatamin'Andriamagnitsa. 3 Fa Agnao, ry Yaveh, de fiarovana magnodidigna anahy voninahitso mampitraka ny lohako. 4 Aho magnandra-peo amin' Yahveh, ary mamaly anahy amin'ny havoagnany masina I. 5 Nandry aho ka natory; nifoha aho, satria Yaveh miaro anahy. 6 Tsa hatahotsa ny haben'ona aho mampanohitsa ny tegnan'ireo aminahy amin'ny lafiny abiaby. 7 Mitsangana ry Yaveh! Vonjeo aho, ry Andriamagnitsa o! Fa hamely ireo fahavalo aby amin'ny valagnorano Agnao; hamotika ny nidindreo ratsy fagnahy Agnao. 8 Avy amin' Yaveh ny famonjena. Ho amin'ona anie ny fitahianao.