Toko faha 10

1 Nahoana, Yaveh,ro miegnina egny lavitsa egny Agnao? Nahoana ro manitrika ny tegnanao amin'ny fotoan-tsarotsa Agnao? 2 Noho ny avognavon-dreo, ny ory de dozoriny'ny ratsy fagnahy; nefa oka aroa ny ratsy fagnahy ho voafandriky ny eritseri-dreo ze nohiverindreo hiany. 3 Fa reo ona ratsy fagnahy de mirehareha ny amin'ny fagniriany laligna; mitahy reo te vola i ery maniratsira an'i Yaveh. 4 Nanandratsa ny tavany ny ratsy fagnahy; tsa nitadia an'Andriamagnitsa i. Tsa mieritserotsa ny momba an'Andriamagnitsa mihitsy satria tsa mivakiloha ny momba anazy aby. 5 Voaaro amin'ny fotoagna aby i, feny ny didinao marina de avo loatsa ho anazy; mierogna amin'reo fahavalony aby i. 6 Mitarogna am-pony i hoe: "Tsa ho lavo mandrakizay iaho; hatamin'ny taranako aby de tsa hahita fahoriana." 7 Feno ozogna sy fitaka,tarogna mampidi-doza ny vavany; mandriatsa sy mamotika ny lelany. 8 Mpamitaka am-pisitrihana teo agnilan'ny tanàna i. Agny amireo toerana misitrika ro hamonoany ny tsa manan-tsigny; mitadia reo niharam-boigna tsa afa-manoatsa ny masony. 9 Misitrika ao amin'ny mangina dekoa liona agnaty kirihitsa i; mahavoasambotsa ny ory i sy misitogna ny haratony. 10 Reo ze tratsany de tinorotorony ery zinerany; trotraka tagnatin'ny haratony lihibe reo. 11 tarogna anakampony i hoa: "Efa nagnadigno Andriamagnitsa; nanafotsa ny tavany I, tsa hisahiragna hijery koa I." 12 Mitsangàna, Yaveh o! Asandrato ny tagnanao , Andriamagnitsa o! Aza magnadigno ny ory. 13 Nahoana ro mandà an'Andriamagnitsa ny ona rasty fagnahy ery mitarogna anakampony hoa: " Tsa hitagna anahy ho tompon'andraikitsa ve agnao?" 14 Efa naharay filazana agnao, fa hitanao hiany reo ze aharan'ny fahoriana sy alahelo. Miankigna aminao reo tsa afa-manoatsa; mpamonjy ny kamboty Agnao. 15 Tapaho ny sandrin-reo ratsy fagnahy sy ny ona ratsy. Atovy tompon'andraikitsa amin'ny ratsy nataony i, ze nohiveriny tsa ho hitanao. 16 Mpanjaka mandrakizay Yaveh; drinoaka teo amin'ny taniny reo firenena. 17 Yaveh, efa nahare ny fitaraignan'reo ory Agnao, mampahery ny fon-dreo Agnao, mihaino ny vavaka ataon-dreo Agnao; 18 miaro ny kamboty sy ny ory Agnao ko tsa hisy ona ambonin'ny tany hampihorohoro ndraika koa.