Toko faha 11

1 o an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Amin'i Yaveh aho ro mialoka; akory ny hitarognanao aminahy hoa: " Milifà agny an-tendrombohitsa dekoa vorogna?" 2 Fa itito! Magnamboatsa ny zana-tsipìkany reo mba hitifirana ny mahitsy fo agnaty aizigna. 3 Fa lehe rava reo fagnorenana , ina ro azon'ny marina atao? 4 Yaveh de ao amin'ny tempoly masina; mijery ny masony, madinika ny zanak'olombelogna ny masony 5 Samy dinihin'i Yaveh aby na ny ona marina na ny ratsy fagnahy,fa I de tsa tea reo te herisetra. 6 Hanotraka vain'afo mahamay sy silifara amin'reo ratsy fagnahy I; rivo-mandoro ro ho anjara kapoakany! 7 Fa marina Yaveh, ery te fahamarinana I; ny mahintsy ro hahita ny tavany.