Toko faha 12

1 Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, ry Yaveh, fa tsa misy koa ny soa fagnahy; nanjavogna ny mahatoky. 2 Samy mitarotaro-poagna amin'ny mpiara-monigna amin'ny molotsa mandoka sy fo miroaroa ny ona aby. 3 Yaveh o, aringano ny molotsa mpiatsaravelatsihy, ny lela aby samy hitarogna reo zava-marina. 4 Reo de ze nitarogna hoe: "Ny lelanay ro hampandresy anay. Lehe mitarogna ny molotsay, ia ro afaka handidy eo aminay?" 5 Nohon'ny herisetra atao amin'ny ory, nohon'ny senton'ny mahantra, de hitsangagna Iaho," hoy i Yaveh. Hagnome filaminana ze irindreo fatratsa iaho." 6 Reo taron'Yaveh de tarogna madio, dekoa volafotsy voarendrika im-pito. 7 Agnao ro Yaveh! Niaro andreo Agnao. Miaro ny ona soa fagnahy amizao taranaka ratsy fagnahy zao mandrakizay Agnao. 8 Mandeha na aia na aia ny ratsy sy misandratsa amin'ny zanak'olombelogna ny ratsy.