Toko faha 13

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Maharitsa hafirina, Yaveh o, ro hagnadinoanao ny momba anahy? Maharitsa hafiriana, ro hagnafenanao ny tavanao aminahy? 2 Maharitsa hafiriana, ro tsa maintsy hatahorako sy hanagnako alahelo am-po isan'andro? Maharitsa hafiriana ro handrisen'ny fahavaloko anahy? 3 Jireo aho de valio, ry Yaveh Andriamagnitso! Omeo hazavana ny masoko, nge aho ho renoka ao amin'ny fahafatesana. 4 Ny fahavaloko aza avela hitarogna hoe: "efa nandavo an'azy aho, mba tsy hahafahan'ny fahavaloko mitarogna hoe: efa nandresy teo amin'ny rafiko aho." Lehe tsa izay, de hifaly reo fahavaloko sy lavo iaho. 5 Fa matoky ny famindram-ponao aho; mifaly amin'ny famonjena ny foko. 6 Hihira ho an'i Yaveh aho satria tena nalala tagnana taminahy Izy.