Toko faha 14

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny gegy manmao anakamm-po hoe:"Tsa misy Andriamagnitsa."Simba saigna reo de efa nanao heloka fahavetavetana; Tsa misy 2 Miondria mijery ny zanak'olombelogna hatagn'andagnitsa Yaveh mba hizaha lehe misy mahafantatsa, sy mitadia an'Azy. 3 Samy efa niolaka aby reo. Samy simba toe-tsaigna aby.Tsa misy manao ny soa, tsa misy, leko raika aza. 4 Tsa mahafantatsa na ina na ina ve reo, ze mpanao meloka, reo ze mihinagna ny onako sahalamin'ny mihinagna mofo nefa tsa mangaika an' i Yaveh? 5 Tera-kovitsa noho ny tahotsa reo, satria Andriamagnitsa de momba ny fiangognan'ny marina! 6 Magniry agnao ny hapahamegnatsa ny ona mahantra leko Yaveh aza ro fialofany. 7 Endrey, zao famonjena ny Israely zey ho avy agny Ziona! Lehe mitondra ny vahoakany hatagny fahababoany Yaveh, de ho ravo Jakoba de ho faly aby manotolo ny Israely!