Toko faha 15

1 Salamo nataon'i Davida. Yaveh o, Ia ro afaka hiegnina ao amin'ny taberinakelinao? Ia ro afaka honigna eo an-tendrombohitsao masina? 2 De ze mandeha tsa misy tsiny aby, manao ny marina sy mitarogna ny marina amin'ny fony. 3 Tsa magnendrikendrika amin'ny lelany i. Tsa magnisy ratsy ny hafa ary tsa maniratsira ny namany. 4 Ny ona tsa mendrika de ho tsinotsinona eo imasony, fa hagnome voninahitsa ze matahotsa an'Yaveh i. Mianiagna amin'ny fahavoazany i ary tsa hamerigna anreo fampagnantegnany. Tsa maka tombony i rehefa mampindram-bola. 5 Tsa mandray kolikoly mba hijoroana vavolombelogna manohitsa ny tsa mana-tsigny i. Ze manao anreo raha aby ireo de tsa hangozohozo mihitsy.