Toko faha 16

1 Salamo nataon'i Davida. Arovy iaho, Yaveh, fa mialoka aminao an'iaho. 2 Hoy iaho tamin' i Yaveh hoa: "Agnao ro Tompoko; tsa misy soa anagnako akoatsa Anao. 3 Lehe ny amireo ona masina eto an-tany, de mendri-kaja reo, ho andreo aby ny fankasitrahako. 4 Ho ampitomboana ny fahorian'reo ze mitadia andriamani-kafa. Tsa mba handraraka fagnati-drà amin'andriamagnin-dreo iaho na hanandratsa ny agnaran-dreo ny molotso.(somiko). 5 Yaveh, Agnao ro anjara voafidiko sy kapoakako. Agnao ro mitagna ny anjarako. 6 Eo amireo tany mahafinaritsa ro misy ny voafaritsa ho anahy; anahy tokoa ny lova soa. 7 Hisaotsa an'i Yaveh, ze manoro hevitsa anahy iaho; eka leko de amin'ny aligna aza de mampianatsa anahy ny saiko 8 . Hataoko eo alohako mandrakariva i Yaveh, mba tsa voahozongozogna eo an-tagnan-kavagnany iaho! 9 Noho zey de faly ny foko; ravoravo ny fagnahiko. Hiaigna am-pilamignana tokoa iaho. 10 Satria tsa hamela ny fagnahiko ho agny amin'ny fiagnana tsa hita Agnao. Tsa hamela ny mahatokinao hahita ny lavaka Agnao. 11 Nampianarinao anahy ny lalan'ny fiagnana; hafalem-be ny eo agnatrehanao; fahafinaretana ny mitoatsa eo an-tagnan-kavagnanao mandrakizay!"