Toko faha 17

1 Vavaka nataon'i Davida. Mihinoa ny fangatahako ny rariny, Yaveh; hino ny antso vonjiko! Atongilagno amin'ny fivavahako hatamin'ny somiko tsa misy fitaka ny sofinao. 2 Aoka ho avy eo agnatrehanao ny fitsarana anahy; aoka ny masonao hijery ny rariny! 3 Lehe mijaha toetra ny foko Agnao, lehe avy aminahy amin'ny aligna Agnao,de hagnadigno anahy Agnao eko tsa hahita fikasan-dratsy; tsa hanota ny vavako. 4 Ny amin'ny asan'ona, de tamin'ny taron'ny sominao(molotsao) ro nitandremako ny tegnako tamin'ny alaln'ny mpandika lalàna. 5 Ny diako de mafy origna teo amin'ny lalanao, eko tsa solafaka ny tongoko. 6 Mangaika Anao iaho, fa mamaly anahy Agnao, Andriamagnitsa; atongilagno aminahy ny sofinao eko mihinòa sy mitarogna iaho. 7 Atorò amin'ny fomba mahatalanjona ny tsa fivadiham-pangnikenao, Agnao ze mamonjy reo ze mialoka aminao amin'ny alan'ny tagnan-kavagnanao amin'ny fahavalon-dreo! 8 Arovy salan'ny anaka andrioamasonao iaho; asitriho ao ambany aloky ny elatsao 9 amin'ny fagnatrehan'ny ratsy fagnahy ze mamela anahy iaho, de reo fahavaloko ze mzgnodidigna anahy. 10 Tsa managna famindram-po na amin'ia na amin'ia reo; ny vavan-dreo de mitarogna agn'avogna. 11 Magnodidigna ny lalako reo. Mibanjigna ny mason-dreo handavo anahy amin'ny tany. 12 Reo de salan'ny liona te hamiravira fatratsa, salan'ny liona tanora mamitsaka amin'ny toerana fierena. 13 Mitsangana, Yaveh! Tafio reo! Akapohy amin'ny tany ny tavan-dreo! Avoto tsa ho azon'ny ratsy fagnahy amin'ny alalan'ny sabatsao ny aiko! 14 Avoto amin'ona amin'ny alalan'ny tagnanao iaho,Yaveh, amin'ny onan'izao tontolo zao ze amity fiaignana ty hiany ro anjarany! Hameno harena ny trokan'ny sarobidinao Agnao; hanagna taranaka be reo eko hamela ny hareny ho an'ny taranany. 15 Feny iaho kosa , de hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; ho afa-po,amin'ny fijerena anao iaho, sy mifoha.