Toko faha 18

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, ny mpanompon'i Yaveh, sy nihira ho an'i Yaveh ny tognon'ty hira ty tamin'ny andro namonjen'i Yaveh anazy tegny an-tagnan-dreo fahavalony aby sy tegny an-tagnan'i Saoly i. Nihira i hoe: Tiako Agnao, Yaveh, heriko. 2 Yaveh ro harambatoko, fiarovana mahery, ze mitondra fiarovana ho anahy; I ro Andriamagnitso; harambatoko, mialoka Aminazy iaho. I ro ampingako, tandroky ny famonjeko, sy fiarovana mahery ho anahy. 3 Hangaikan an'i Yaveh iaho, eko voavonjy amin'ny fahavaloko iaho. 4 Nandrohy anahy ny tadin'ny fahafatesana, eko ny onjan'ny faharatsiana ro nandrendrika anahy. 5 Nandrohy anahy ny tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika anahy ny fandriky ny fahafatesana. 6 Nangaika an'i Yaveh iaho tagnatin'ny fahoriako; nikaika vonjy tamin'i Andriamagnitso iaho. ren'ny ny feoko hatamin'ny tempoliny; ny vonjiko de avy teo agnatrehany; ren'ny sofiny zey. 7 Eko nihovitsa sy nihorohoro ny tany; nihorohoro sy nihovitsovitsa koa ny fototsy ny tendrombohitsa satria nasiaka Andriamagnitsa. 8 Nagnanika ny setroka avy tamin'ny lavakorony, eko afo midedadeda ro nienga tamin'ny vavany. Nirehitsa tamizay ny vain'afo. 9 Novinohany ny lagnitsa eko nirorogna i, eko teo ambanin'ny tongony ny haizigna matevigna. 10 Nidingigna kerobima I eko nitsidigna; nisosa tegny amin'ny elatsy ny rivotsa I. 11 Nataony tragno lay nagnodidigna anazy ny ezigna, ny raho-menty an-dagnitsa. 12 Nitrotraka hategny amin'ny tselatsa teo alohan'ny havandra sy vain'afo. 13 Nikiotroka tegny an-dagnitsa Yaveh! Nikoka ny feon'ny Avo indrindra. 14 Nandefa ny zana-tsipikany i eko nandripaka ny fahavalony; tselatsa be ro nandripaka andreo. 15 Sy ahateo de nipoitsa ny fantson-drano; reo fanambanin'zao tontolo zao de nipoitsa hatamin'ny hikam-piadianao, Yaveh tamin;ny fipoaky ny fofon'aignin'ny lavakoronao. 16 Nagnijitsa ny tagnany hatagny ambony I; drinainy iaho! Sinitony hatao amin'ny rano manonja iaho. 17 Nagnavotsa anahy tamin'ny fahavaloko matanjaka I, tamin'ny ze nankahala anahy, satria mahery loatsa ho anahy reo. 18 So roso nanohitsa anahy reo tamin'ny androm-pahoriako fa Y aveh ro nanohagna anahy! 19 Nagnafaka anahy tegny amin'ny toerana malalaka I; namonjy anahy I satria nahafinaritsa Anazy aho. 20 Nagnome valisoa anahy Yaveh nohon'ny fahamarignako; magnarigna anahy I satria nadio ny tagnako. 21 Fa iaho efa nitandrigna reo didin'i Yaveh eko tsa nivadika ratsy fagnahy tamin'ny Andriamagnitso. 22 Fa efa teo alohako aby ny lalany marina; lehe ny amin'ny didiny, de vona tsa nivadika tamin'ny reo aho. 23 Iaho koa de tsa nagna-tsigny teo agnatrehany,eko nitandrigna ny tegnako tamin'ny fahotana aho. 24 Noho zey de namelogna anahy ndraika Yaveh nohon'ny fahamarinako, satria nadio teo imasony ny tagnako. 25 Ze mahatoky de ampisehoanao fahatokiana; ny ona ze tsa misy tsigny, de ampisehoanao tsa fanagnan-tsigny. 26 Ny ona ze madio ,ro ampisehoanao fahadiovana; fa Agnao de mahira-tsaigna amin'ze ratsy fagnahy. 27 Fa Agnao magnavotsa reo ona ory, eko magnambany reo mirehareha! 28 Fa Agnao mandrehitsa ny jiroko; magnazava ny fahamaizignako Yaveh Andriamagnitsa o. 29 Fa amin'ny alalanao ro ahafahako miridiridy ambonin'ny sakagna; amin'ny alalan'ny Andriamagnitso ro ahafahako mandingagna rindrigna. 30 Lehe ny amin'Andriamagnitsa: tonga lafatsa ny lalany. Ny tenin'i Yaveh de madio! Ampingan'ze mialoka aby aminazy I. 31 Fa ia ro Andriamagnitsa ankoatsan'i Yaveh? Fa ia ro harambato ankoatsan'i Yaveh? 32 Andriamagnitsa ro mametraka hery aminahysalan'ny fehi-troka, ze mampitoatsa ny ona tsa misy tsigny eo amin'ny lalany. 33 Ataony malaky famindra salan'ny diera ny tongoko eko mampitoatsa anahy egny amin'ny toerana avo! 34 Magnazatsa ny tagnako ho amin'ny ady i eko ny sandriko hamoritsa ny tsipika varahigna. 35 Efa nomenao anahy ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanohagna anahy ny tagnanao ankavagnana, eko ny fankasitrahanao de naha-lihibe anahy. 36 Efa nanao toerana malalaka eo ambaniko ho an'ny tongotso Agnao mba tsa hampiborisaka ny tongoko. 37 Nandoditsa ny fahavaloko iaho eko nahatratsa anazy reo; tsa nipody iaho mandra-paharava andreo. 38 Nopotehiko reo mba tsa ahafahany miarigna; efa lavo tambanin'ny tongoko reo. 39 Fa agnao nametraka hery taminahy salan'ny fehi-troka ho amin'ny ady; nataonao ambaniko reo ze nitsangagna hanohitsa anahy. 40 Nampiamboho ny vozon'ny fahavaloko ho anahy Agnao; drinavako reo ze nakahala anahy. 41 Nikoka vonjy reo, feny tsa nisy nagnavotsa anan-dreo; nangaika an'i Yaveh reo feny tsa nanoigna I. 42 Tinorotoroko majinika salan'ny vovoka alohan'ny rivotsa reo; nariako salan'ny fotaka agny an-dalagna reo. 43 Nagnavotsa anahy tamin'ny fifamalian'ny ona Anao. Nataonao lohan'reo firenena iaho. Manompo anahy reo ona tsa fantako. 44 Lehe vo nandre anahy reo, de nankato anahy; voatery niondrika teo alohako ny mpivahiny. 45 Avy am-pihorohoroana hatao amin'ny fiarovana mafin-dreo ny mpivahiny. 46 Velogna i Yaveh; ho deraina anie ny orimbatoko. Ho asandratsa anie ny Andriamagnitsy ny famonjena. 47 I ro Andriamagnitsa ze namaly faty ho anahy, ze nanolotsa ny firinena ho ambaniko. 48 Afaka tamireo fahavaloko iaho! Eka tokoana, nampiakarinao ambonin'ny ze nijoro hanohitsa anahy iaho! Navotanao tamin'ny lihilahy mahery fihetsika iaho. 49 Noho zey de hagnome fisaorana ho anao, amireo firinena aho, Yaveh; hihira fiderana ho an'ny agnaranao iaho! 50 Andriamagnitsa de nagnome fandrisena lihibe ho an'ny mpanjakany, eko nampiseha ny fifagnikem-pitokiana tamin'ny voahosony, tamin'i Davida sy reo taranany hatrin'ny ela.