Toko faha 19

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lagnitsa milaza ny voninahits' Andriamagnitsa, eko ny habakabaka mampahafantatsa ny asan'ny tagnany! 2 Isan'andro sanandro de mipololotsa ny tarogna; isan'aligna de mitarogna fahalalana zao. 3 Tsa misy lahateny leko tarogna voalaza; tsa re ny feon-dreo. 4 Miparitaka maneran-tany aby manotolo ny tarondreo, eko hatagny aparan'ny tany ny lahateniny. Efa nanangagna lay ho amin'ny masoandro tao amin-dreo I. 5 Ny masoandro de salamin'ny mpapakatsa miboaka ny efitragnony, eko salamin'ny lihilahy matanjaka sy manao ny firidiridiany. 6 Mipoaka hatagny amin'ny fara-vodilagnitsa raika ny masoandro de mitety ny habakabaka ho amin'ny raika hafa; tsa misy afaka milefa ny hafanany. 7 Tateraka ny lalany Yaveh , magnarigna ny fagnahy ;azo; antoka ny teny vavolombelon' i Yaveh, mahendry ny tsotra. 8 Mahitsy ny fampianaran'i Yaveh ; mampifalifaly ny fo; madio ny didin'i Yaveh, mitondra fahazavana ho an'ny maso. 9 Madio ny fahatahorana an'i Yaveh , maharitsa mandrakizay; marina sy mahitsy aby ny didy marin'i Yaveh! 10 Sarobidy mihoatsa ny volamena zey. Sady mihoatsa noho ny volamena tena soa aza; mamy noho ny tately sy ny tately mitete amin'ny toho-tately zey. 11 Eka, amin'ny alalan'zey ro hampitandremana ny mpanomponao; fa hisy valisoa lihibodaka ny fankatoavana an'zey. 12 Ia ro afaka mamatatsa ny fahadisoany aby? Sasao amireo heloka misitrika iaho. 13 Tandremo ny mpanomponao tsa ho hazan'ny ota sahisahy; Aza avela hanapaka anahy reo. De ho tateraka iaho, de tsa hanatsigny amin'ny fandikan-dalana be. 14 Ho ikena eo imasonao reo raha tarognin'ny vavako sy ny fihevitsy ny foko, Ra Yaveh, vatolapiko sy pagnavotso.